Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA: Fampidirana

Daty
Sabotsy 30 November 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 13:1-20; Jao. 14:1-3; Dan. 7:27; Jao. 14:5-11; Jao. 1:14; Kôl. 1:16, 17; Jao. 5:38-40.

Tsianjery: "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Jao. 1:18.

Mizara efatra lehibe ny filazantsaran'i Jaona: ny fitarihan-teny (Jao. 1:1- 18), ny bokin'ny famantarana (Jao. 1:19-12:50), ny bokin'ny voninahitra (Jao. 13:1-20:31), ary ny fehin-tantara (Jao. 21:1-25). Ny fitarihan-teny sy ny bokin'ny famantarana no nodinihintsika hatreto, izay mampiseho hoe iza i Jesôsy , raha ny fahagagana (famantarana) sy ny resaka ary ny fampianarana nataony no jerena. Ny fizarana fahatelo kosa no hifantohantsika izao, dia ny bokin'ny voninahitra. Mahaliana fa toy ny tetezana mampitohy ny bokin'ny famantarana sy ny bokin'ny voninahitra ireo fanambarana fito nataon'i Jesôsy hoe: "Izaho no (...)". Ireto avy izy ireo: Izaho no "mofon'aina" (Jao. 6:35,41,48,51), "fahazavan'izao tontolo izao" (Jao, 8:12, Jao. 9:5), "vavahady" (Jao. 10:7,9), "mpiandry tsara" (Jao. 10:11,14), "fananganana ny maty sy fiainana" (Jao. 11:25), "làlana sy fahamarinana ary fiainana" (Jao. 14:6), ary "tena voaloboka" (Jao. 15:1,5).

Hojerentsika voalohany ao amin'ity lesona ity ny tanjon'ilay hafatra farany nataon'i Jesôsy sy ny amin'ilay fotoa-manan-danja nanasany ny tongotry ny mpianany. Avy eo dia hodinihintsika ilay fanambarana ao amin'ny Jao. 14 hoe: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal