Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.

Daty
Alakamisy 03 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 7. Nanao ahoana ny fihetsehampon'i Paoly raha reny fa nibebaka Ireo Korintianina?

Fitiavan-dehibe tokoa no fonosir'ny teny hoe: "ao am-ponay hianareo"- 2 Kor. 7:3; jereo koa ny 2 Kor. 6:11. Izao koa no nolazain'i Paoly noho ny faniriany lalina ny hamaliana fitia izany fitiavany izany: "Ataovy omby anay ny fonareo"- 2 Kor. 7:2. Tsy ahitana ny teny hoe "ao am-ponareo" ao amin'ny lahatsoratra grika, nefa maro ireo dikanteny manampy izany, ary tsy diso izany satria manohana azy ny tontolon-kevitry ny lahatsoratra.

Nanokatra ny fon'izy ireo ho an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy tokoa ireo Korintianina. Izany no mahatonga ny and. 4 ho fanehoam-pifaliana lehibe. Asehon'ny tenin'i Paoly fa fihetsehampo miabo no tsapany tamin'izany fotoana izany: "Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra."- 2 Kor. 7:4. Feno fiononana sy hafaliana i Paoly. Endrey ny fiononana sy ny fifaliana ao am-pon'ireo mpitandrina ny fiangonantsika rehefa manolo-tena amim-pahatokiana ho an'i Kristy isika!

Manazava bebe kokoa ny anton'izany fiononana sy fifaliana izany i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 7:5-16. Ireo lohahevitra roa ireo no tena foto-dresak'io toko io. Impito raha atontaly no ahitana ny matoanteny parakaleō ("mampionona") na ny anarana paraklēsis ("fampiononana") ao amin'ny 2 Kor. 7. Mifarana amin'ny fomba niantombohany ihany io ampahany amin'ilay epistily io, amin'ny fampiononana avy amin'Andriamanitra (2 Kor. 1:3-7). Ny fiononan'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 7 dia avy amin'ny fahamaivamaivanana tsapany, satria nitondra ny vokatra nandrasany ny epistily fananarana nosoratany ho azy ireo.

Na dia vokatry ny tatitra tsara nataon'i Titosy aza ny fahamaivamaivanana tsapan'i Paoly, dia Andriamanitra no tena nitondra fampiononana ho azy (2 Kor. 7:6). Andriamanitra tokoa no "Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra."- 2 Kor. 1:3, 4.

Mahaliana fa "be hafaliana" i Paoly raha "feno fiononana."- 2 Kor. 7:4, 7, 13. Na dia niteraka falahelovana aza ny epistily hentitra sy feno fananarana nosoratany, dia alahelo araka ny sitrapon'Andriamanitra izay miasa fibebahana izany (2 Kor. 7:9-11). Alahelo "araka an'Andriamanitra" no tao amin'ireo Korintianina (2 Kor. 7:11), alahelo izay "miasa fibebahana ho famonjena."- 2 Kor. 7:10. Inona moa no mitondra fifaliana lehibe kokoa mihoatra noho ny fanompoana tena izy an'Andriamanitra.

Efa nahatsapa alahelo araka an'Andriamanitra ve ianao teo amin'ny fiainanao? Ahoana no nahalalanao fa alahelo mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra izany, izay nitarika anao hibebaka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal