Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.

Daty
Alakamisy 12 March 2026

Hita mazava ao amin'ny andininy farany ao amin'ny Kol. 3 ny fanahian'i Paoly ny amin'ny fiadanana sy ny filaminana ao am-piangonana. Efa nisy tsipiriany sasantsasany hitantsika momba ny fiadanan’ Andriamanitra (jereo ny lesona 7). Tsy tahaka ny pax Rômana, ny pax Christi dia tsy fiadanana terena avy ety ivelany fa manapaka antsika avy ao anatiny. Tsy mety hitranga izany raha tsy i Kristy no mifehy.

Vakio ny Kol. 3:16,17. Inona no tena mahatonga an'i Kristy ho afaka mifehy, ary inona no anjara asan'ny mozika amin'izany rehetra izany?

Mazava tokoa ny voalaza. Mampiseho ny tenin'i Kristy mitoetra ao anatintsika izany. Mitranga izany rehefa mamaky ny Baiboly amim-pahalianana isika mba hihaino sy hianatra avy amin'ny fahendren'Andriamanitra. Hita fa manana anjara toerana lehibe ny mozika amin'ny fifampianarana sy fifananarana, na dia somary saro-takarina aza ny teny grika nilazana izany (Kol. 3:16).

Kanefa tsy izay rehetra mety ho mozika tsy akory dia tsara. Mampiasa teny manokana i Paoly eto sy ao amin'ny Efes. 5:19: «ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy».

Na dia tsy azontsika faritana mazava aza, dia hita fa misy fahasamihafana eto, eo amin'ny fitambaran'ny Salamo efa nisy tao amin'ny TT sy ny fitambaran'ireo fihirana ao amin'ny TV. Mety milaza zavatra ankapobeny kokoa kosa ny hoe «tonon-kiram-panahy», dia ireo hira fiderana rehetra mifandraika amin'ny fiainana ara-panahy na ny fiainan'ny fiangonana. Ny tonon'ny hira no entina mampianatra ny fahamarinana sy anomezana toromarika momba ny fiainam-baovaon'ny Kristianina iray. Maro amin'ireo fihirana malaza maro tamin'ny taonjato vitsivitsy lasa no mirakitra hafatra mampahery mitondra fanantenana sy toky, izay ilaina indrindra eto amin'izao tontolo manakivy antsika rehetra izao.

Lehibe ny herin'ny mozika. Nampitony an'i Saoly mpanjaka ny fandrenesany an'i Davida nitendry lokanga (1 Sam. 16:23). Saingy rehefa nataony fahavalo i Davida, dia nihanitombo ny hatezerana sy ny fialonana tao amin'i Saoly (1 Sam. 18:10,11). Ny mozika klasika milamina dia voaporofo fa mampihena ny fanahiana, manatsara ny fiasan'ny atidoha, mampitombo ny fahatsapana fiadanana, manamaivana ny fanaintainana, ary mampitombo ny ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina.

Iza amintsika no tsy efa nahatsapa ny herin'ny mozika teo amin'ny fiainany, teo amin'ny fihetseham-pony sy teo amin'ny fisainany, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy? Afaka manandratra ny ara-panahy ny mozika - ny mozika tsara, araka ny tokony ho izy.

Hoy ny Soratra Masina amintsika: «na inona na inona ataonareo (...), dia ataovy amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izany.» - Kol. 3:17. Afaka milaza ve ianao fa manao izany marina tokoa? Raha tsia, ahoana no ahafahanao miova; izany hoe, inona no tsy maintsy atsahatrao raha tsy ahafahanao manao zavatra amin'ny anaran'ny Tompo izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal