Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.

Daty
Talata 09 September 2025

EFA NANAO RATSY NY OLONAO

Vakio ny Eks. 32:7,8. Nahoana no nasain'Andriamanitra niverina ho any an-fobin'ny Isiraely i Mosesy?

Rehefa nitodika tany amin'ny sampy ny Isiraelita, dia tafasaraka tamin'llay tena Andriamanitra, Ilay nanafaka azy ireo tamin'ny fanandevozana tany Egypta. Nanome tsiny mivantana azy ireo ny Tompo nanao hoe: "nanao ratsy ny olonao" - Eks. 32:7 ka tonga hatramin'ny fanomezam-boninahitra sarivongana, toy ny hoe io no namonjy azy tamin'ny fanandevozana tany Egypta. Mifanohitra tanteraka amin'izay nolazain’Andriamanitra tamin'izy ireo izany (Eks. 20:2)! Zava-dratsy tokoa io fandavana ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny asa mahery nataony io. Nanjary diso sy simba tanteraka ny fisainany sy ny fihetseham-pony.

Ho an'i Ezekiela mpaminany, ny fanompoan-tsampy no fototry ny fahoriana rehetra nanjo ny vahoakan'Andriamanitra, ary avy amin'izany no nipoiran'ny fahotana hafa rehetra (jereo, ohatra, ny Ezek. 8:1-18, Ezek. 20:1-44, Ezek. 22:1-12). Matetika isika no manontany tena hoe: nahoana ny mpino fahiny no mora ambakaina sy sarotra anarina toy izany ka nivavaka tamin'ny sampy maro nataon'olombelona? Matoky tanteraka isika fa tsy hanao zavatra toy izany mihitsy. Tena afaka amin'ny sampy marina ve anefa isika? Mety ho hafa ny bika aman'endriky ny sampy ankehitriny, nefa lalana mitovy ihany no itaomany ny olona.

Izay rehetra maka ny toeran'Andriamanitra no sampy, ary na fantatsika aza fa tsy mety izany, dia mbola tompointsika ihany, ary ataontsika matetika. Anjakany ny eritreritsika, baboiny ny fitiavantsika, alainy ny fotoantsika, ary ny saintsika afantony aminy mihoatra noho ny amin'Andriamanitra. Mety hanandevo ny fisainantsika mihitsy aza izany. Raha ny marina dia manahaka izay banjinintsika isika, ary tsy hisondrotra mihoatra noho izay "andriamanitra" tompointsika.

Raha tsy ataonao ivon'ny fiainanao Andriamanitra, dia hisy andriamanitra hafa haka ny toerany. Raha tsy misitraka sy mizatra amin'ny fanatrehan'Andriamanitra velona isika, dia hankamamy sy hanokana ny fiainantsika ho an'ny zavatra na olona hafa. Mety hiseho amin'ny endriny samihafa ireo zavatra anoloantsika an'i Kristy; ohatra: avonavona, fitiavan-tena, vola, fahefana, firaisana ara-nofo, sakafo, fahitalavitra, zava-mahadomelina, alkaola, fisainana maloto, sary vetaveta, fahafinaretana, asa, fanatanjahantena, fianakaviana, lalao video, sarimihetsika, fiantsenana, firehan-kevitra, politika, mozika, toerana, anaram-boninahitra, mari-pahaizana, sy ny sisa. Tsy mety tapitra io lisitra io.

Mahay mamorona tokoa isika amin'lzany lafiny izany. Azontsika hovana ho sampy avokoa izay rehetra tsara, kanto, ary manan-danja. Mampidi-doza tokoa ny fanompoan-tsampy satria manova ny toetrantsika, ny fomba fisainantsika, ny fitiavantsika, ary ny fiainantsika ara-piarahamonina. Manova ny maha-isika antsika izany, ary raha tokony hifandray amin'ny hafa amin'ny fo madio isika, dia manjary poakaty sy tsy misy dikany akory ny fifandraisantsika, ary tsy mahavonjy antsika amin'ny farany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: - Ny fotoana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal