Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.

Daty
Alatsinainy 07 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 8:1,5 ary ny 2 Kor. 9:7,9,13,15. Inona no hafatra lehibe ampitain'ireo andininy ireo?

Hita manerana ny 2 Kor. 8 sy 9 ireo voambolana momba ny fanomezana: «Ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena (...)» - 2 Kor. 8:1; «ny tenany no natolony (...)» - 2 Kor. 8:5; «Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy (...) fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra» - 2 Kor. 9:7; «Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo» - 2 Kor. 9:9; «izany no ankalazany an'Andriamanitra (...) noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana» - 2 Kor. 9:13; «Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.» - 2 Kor. 9:15. Manomboka sy mifarana amin'ny fitenin'ny fanomezana Ny 2 Kor. 8 sy 9. Aoka hafantotsika amin'ny fanomezana ny saintsika eo am-pamakiana ireo toko roa ireo. Aseho ao ireo antony efatra lehibe tokony hanolorantsika ny fanatitsika:

Fankasitrahana ny fahasoavan'Andriamanitra (2 Kor. 8:1; 2 Kor. 9:14, 15). Manomboka amin'ny fitenenana momba ny «fahasoavan'Andriamanitra» ny 2 Kor. 8-9 (2 Kor. 8:1). Hoy i Paoly any amin'ny and. 9: «Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika». Ny fahasoavan'Andriamanitra sy i Kristy no aseho eto ho toy ny antony voalohany amin'ny fanaovana fanatitra. Be tokoa no efa nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'i Kristy. Ny fanolorantsika fanatitra ho setrin'izany, dia fanehentsika ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Tahaka ireo teny momba ny fanomezana, dia miverina matetika koa ny teny hoe «fahasoavana» (amin'ny teny grika, charis) ao amin'ny 2 Kor. 8-9. Hita eo am-piandonana sy any amin'ny faran'ireo toko ireo koa ny teny hoe charis (2 Kor. 8:1; 2 Kor. 9:14,15). Ampiasan'i Paoly amin'ny heviny samy hafa io teny io ao amin'ity ampahan-tSoratra Masina ity mba hanasongadinana fa ny fahasoavan'i Kristy eo amin'ny fiainantsika dia miseho amin'ny fahasoavana omentsika ny hafa sy amin'ny fisaorana.

Faniriana hanaraka ny ohatra nasehon'l Jesosy (2 Kor. 8:9). Nanankarena i Jesôsy nefa tonga mahantra. Tokana ihany ny fomba nahatonga izany: nanome ny zava-drehetra Izy. isika kosa, amin'ny alalan'ny fanolorana ny fanatitsika, dia manome fomba hahafahan'ny hafa mahafantatra an'i Kristy.

Faniriana hizara ny fitahian'Andriamanitra (2 Kor. 9:10,11). Manome ho an'ny hafa isika satria isika aloha no nandray avy amin'Andriamanitra. Mampanan-karena antsika Izy mba ho tonga malala-tanana isika.

Fitiavana marina (2 Kor. 8:8, 24). Ny fanomezana no ahafantarana ny fitiavana marina sy mahatoky. Izany no porofo mivaingana indrindra fa mitoetra ao am-pon'ny olona iray ny fitiavana. Araka ny oha-pitenenana hoe: "Ny toky fitaka fa ny atao no hita".

Malala-tanana ve ianao? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, be sa kely no omenao raha ampitahaina amin'izay azonao omena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal