Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.

Daty
Alahady 06 September 2026

Ny fanentanan'i Paoly ireo mambran'ny fiangonana tao Korinto mba hanao famoriam-bola ho an'ireo fiangonana mahantra tany Jodia no tontolon-kevitry ny 2 Kor. 8 sy 9. Hita fa efa nanolo-tena nanao izany izy ireo (2 Kor. 8:10, 11; 2 Kor. 9:5; jereo koa ny 1 Kor. 16:1-4), saingy ny olana teo amin'ny fifandraisan'izy ireo sy i Paoly no nanasarotra ny toe-javatra. Rehefa voavaha ireo olana ireo (2 Kor. 1-7), dia ny famitana izany asa izany izao no ifantohan'i Paoly (2 Kor. 8-9).

Tamin'ny voalohany, noresahin'i Paoly ny ohatra nasehon'ny Makedonianina (2 Kor. 8:1-7), izay na dia lalina aza ny fahantran'izy ireo, dia tsy nahasakana ny fitomboan'ny «haren'ny hitsim-pony [na fahafoizany]» izany (2 Kor. 8:2, naoty eny ambany). Eny, afaka miara-dalana ny fahantrana sy ny fahalalahan-tanana. Kanefa, izany fahalalahan-tanana mendri-piderana nananan'ny Makedoniana izany dia nalainy tahaka tamin'ny fahalalahan-tanan'i Jesosy, Izay nanolotra ny Tenany ho antsika (2 Kor. 8:8-15).

Vakio ny 2 Kor. 8:9. Inona no ambaran'io andininy io amintsika momba ny oha-plainan'l Jesôsy ?

Anisan'ny manaitra sy mahery vaika ary lalina indrindra amin'ny fanambarana rehetra ao amin'ny Baiboly ny ambaran'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 8:9. Tantarain'i Paoly ao ny asa nanirahana an'i Jesosy, saingy amin'ny teny fohy dia fohy nefa feno. Misy teolojia goavana eto. Ny tantaran'ny fanavotana voafintina ao anatin'ny andininy iray monja izany.

Ny tena manaitra aza dia ny nampiasany voambolana mikasika ny vola tao anatin'izany. Eny, nanankarena i Jesosy: efa niaina tany an-danitra Izy talohan'ny nahatongavany teto an-tany (Jao. 17:5). Nanapa-kevitra ny ho tonga mahantra Izy tamin'ny nahafoizany ny voninahitry ny lanitra sy ny nahatongavany teto amin'ity tontolo feno fahoriana ity. Tonga mahantra ara-bakiteny Izy (Lio. 9:58). Na dia nitovy tamin'Andriamanitra aza Izy, dia "nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona." - Fil. 2:7. "Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8.

Nafoin'i Jesôsy ny ainy mba hahafahantsika ho velona mandrakizay miaraka aminy. Nisy tanjona ny fanatitra nataony: ny famonjena antsika. Miara-dalana ny fitantanam-pananana sy ny iraka. Miresaka momba ny fanatitra manokana, izay vola, ny 2 Kor. 8-9, saingy miorina amin'i Jesôsy izany fitantarana izany. Ho hitantsika mandritra ity herinandro ity ireo foto-kevitra ara-telolojia mifandray amin'ny fanaovana fanatitra, izay mifototra amin'ny fanatitra nataon'i Jesôsy , dia ny nanaovany sorona ny Tenany.

Saintsaino ny fahaterahana, ny fiainana, ny fahafatesana, ary ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Rehefa takatrao fa ho anao no nanaovany izany rehetra izany mba hanananao fanantenana, dia zavatra tsara lavitra noho izao fiainana feno fahoriana eto izao, inona no tokony hasetrinao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal