Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.

Daty
Alatsinainy 09 June 2025

I ROTA SY I BOAZA

Nangataka ny hanovan'ny olona ny fiantsoana azy ho "Mara" i Naomy noho ny zava-mangidy nitranga teo amin'ny fiainany (jereo ny Rota 1:20). Nosimban'ny fahotana tamin'ny fomba tsy hay arenina ny fifandraisantsika amin'ilay Mpamorona antsika; nandentika antsika ao anatin'ny fahantrana ara-panahy izany. Kely dia kely ny fanantenantsika ny amin'ny hoavy, ary mandany ny fiainana amin'ny fitsimponana izay latsaka eny amin'ny sisin'ny tanimboly isika, miaina amin'ny sombim-pifaliana kely mety ho hita eto amin'ny tontolo iray potika. Miova anefa izany rehetra izany amin'ny fotoana iray hahafantarantsika ny zavatra iray manan-danja: tsy nanadino antsika Andriamanitra.

Vakio ny Rota 2:5-20. Nahoana io toe-javatra io no kihon-dalana iray teo amin'ny tantara? Araka ny hevitrao, nahoana no vaovao mahafaly ny fahafantaran'i Naomy ny anaran'ilay nanao soa azy ireo?

Verin'i Naomy avokoa izay rehetra nananany, ary azo heverina fa niverina izy mba hivarotra ny taniny hahafahany manonitra ny trosa nalainy talohan'ny nifindran'izy ireo nankany Moaba. Nisy fandaminana napetrak'Andriamanitra tany Isiraely ho an'ireo olona namoy ny fananany rehetra mba hahafahan'izy ireo mahazo ny lovany ao amin'ny Tany Nampanantenaina: azon'ny havana akaiky iray atao ny manavotra ny tany ho azy. Tsy mpamboly tsara fanahy fotsiny i Boaza fa havana mahavotra. Raha tsy vitan'ny olona ny mandoa ny trosany sy mitaky ny anjarany eo amin'ny lovan'Isiraely, dia azon'ny havany akaiky atao ho azy izany: "Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny." - Lev. 25:25.

Ny fahafantarana fa i Boaza dia tsy olona tsara fanahy sy malala-tanana fotsiny fa havana mahavotra no azo heverina fa vaovao tsara indrindra tamin'izany: tsy voatery hiaina mandrakizay ao anatin'ny fahantrana intsony ireto vehivavy roa ireto.

Tandindona maneho an'i Kristy no nahatakaran'ny Kristianina an'i Boaza hatrizay, i Kristy ilay Mpahary antsika no sady nifidy ny ho havana mahavotra antsika olombelona nofo sy ra, izay antony amerimberenany ny fiantsoany ny Tenany hoe "Zanak'olona." (Mat. 12:8; Mar. 8:31; Lio. 22:22; Jao. 3:14).

Maro loatra ny olona mihevitra an'Andriamanitra ho lozabe: havelany hiditra any an-danitra angamba isika raha toa mahafeno ireo fepetra rehetra amin'ny fanadinana ara-môraly, nefa hanao izany tsy fidiny Izy satria tsy voahajantsika ny tsipirian-javatra iray. Nampitsimbadika tanteraka ireo fiheverana ireo ny sarin'i Kristy nasehon'i Boaza. Tsy hoe mifantoka amintsika fotsiny ny sain'Andriamanitra, fa iriny koa ny hampakatra antsika ho vady na dia eo aza ny fahantrana lalina ara-panahy misy antsika.

Ezaho saintsainina izao: tsy tonga tahaka ny iray amin'ireo voariny fotsiny ilay Mpamorona fa nanolotra ny ainy ho azy ireo koa. Ahoana no tokony ho fiantraikan'izany fahamarinana mahagaga Izany eo amin'ny fomba fijerintsika ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal