Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— fanoharana momba ny tanim-boaloboka.

Daty
Alarobia 12 March 2025

Ao amin'ilay fanoharana momba ny tompon'ny tanimboaloboka, ao amin'ny Mat. 21, dia teo amin'izay nijanonan'ny Isa. 5 no notohizan'i Jesôsy, ka nanome fanampim-panazavana momba ny toetra sy ny fihetsiky ny tompon'ny tanimboaloboka Izy.

Vakio ny Mat. 21:33-39 eo am-pisaintsainanao llay fanontaniana ao amin'ny Isa. 5:4. Inona no mbola azony natao ka tsy efa nataony?

Naverin'i Kristy tanteraka izay voalaza ao amin'ilay hiran'i Isaia momba ny tanim-boaloboka sy ny tompony, ao amin'ny ampahany voalohany amin'ny fanoharana nataony. Avy eo dia nampiany hoe: "nahofany tamin'olona mpiasa tany ilay tanim-boaloboka "ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy"-Mat. 21:33. Rehefa naniraka ny mpanompony (ny mpaminany) indroa anefa ny tompon'ny tanim-boaloboka mba hanangona ny vokatra, dia nikapoka sady namono izany mpanompo izany ireto nanofa ny tanimboaloboka ireto (Mat. 21:34-36). Ny zanany (i Jesôsy) no nirahin'ilay tompon'ny tanimboaloboka nony farany, ka hoy izy: "Hanaja ny zanako izy."- Mat. 21:37. Kanjo novonoiny koa ilay zanany ka hoy ireo: "Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany'. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka, dia namono azy." Mat. 21:38,39.

Inona no mbola azony natao ankoatra izany? Fa lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana malalany (Jao. 3:16). Raha naneho ny heriny sy ny fahefany aloha loatra Andriamanitra tao anatin'ity karazana ady ity, dia tsy ho voavaha ny olana ny amin'ilay fifanandrinana lehibe. Nilaina aloha ny fanehoana ampahibemaso ny toetran'Andriamanitra. Tao amin'ny asan'i Kristy no tena tanteraka izany fanehoana izany (Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8). Inona indray no mbola tadiavintsika? Andriamanitra (tao amin'i Kristy) no efa nahafoy ny ainy ho antsika mba hahazoany manamarina antsika, kanefa sady tsy nampiova ny fahamarinany na ny fitiavany izany!

Voaporofo teo amin'ny hazo fijaliana fa efa nanao izay rehetra azony natao Andriamanitra mba handresena sy hamongorana ny ratsy, sady tsy nosakanany tsy ho afaka handrobona koa ny fitiavana marina. Raha nisy fomba tsara kokoa hafa hitan'Andriamanitra, tsy ho nofidiny ve izany? Raha mijaly ny olona ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, dia Andriamanitra no mijaly indrindra. Eny tokoa, hitantsika eo amin'ny hazo fijaliana ny fahoriana sy ny fijaliana niaretan'Andriamanitra vokatry ny fahotana. Masina loatra ilay safidy malalaka raiki-tampisaka amin'ny fitiavana, hany ka vonona ny hiaritra izany ho antsika i Kristy.

Vakio ny Isa. 53:4. Ny "aretin" ‘ iza sy ny "fahorian" ‘Iza no nentin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana? Inona no ambaran'izany amintsika mikasika izay rehetra efa nataon'Andriamanitra ho antsika, sy ny sandany naloany ho famonjena antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal