Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana

Daty
Alakamisy 11 December 2025

FAMAHANA NY FIFANDIRANA

Vakio ny Jos. 22:30-34. Ahoana no anomezan'io 1 Sam. 3 toe-javatra iray manontolo to hevitra antsika mikasika ny fomba famahana ny olan'ny fifandirana sy ny fomba atao mba hahazoana antoka fa ho iray lhany ny fiangonana? (Ampitahao amin'ny Sal. 133; Jao. 17:20-23; 1 Pet. 3:8,9).

Ahitana fitsipika maro mikasika ny fifandraisana ny tantara ao amin'ny Jos. 22, fitsipika izay azo ampiharina eo amin'ny fifandraisan'ny olombelona andavanandro izany. eo anivon'ny ankohonana sy ny fiangonana ary ny fiarahamonina.

  1. Rehefa tsy mizotra araka ny tokony ho izy ny toe-javatra, na koa tahaka izany no fahitana azy, dia ny mifampiresaka no tsara indrindra fa tsy ny mikobona ny hevitra na ny fomba fijerintsika mandra-pitroatra izany. Tsara ho an'ny vahoakan Andriamanitra ny tsy maneho tsy firaihana rehefa misy olana miseho. Mazava loatra, fa raha nanambara ny fikasany hanorina alitara ireo foko tany an-dafy atsinanan'i Jordana dia tsy ho nisy akory ny olana teto.
  2. Aoka tsy ho maika hanao tsoa-kevitra na dia resy lahatra ho manana ny marina aza. Haingana loatra ny ninoan'ireo foko tany andrefan'i Jordana ny honohono ren'izy ireo sy ny nanaovany tsoa-kevitra diso ka nilazany fa nampiseho fihermorana ireo foko tany atsinanan'i Jordana.
  3. Resaho ny momba ilay tena olana na izay mety heverina ho olana mialoha ny hanaovana tsoa-kevitra.
  4. Aoka hanaiky hamoy zavatra mba hitandroana ny firaisana. Nanaiky hanome ny ampahan-taniny ho an'ireo foko hafa ny foko tany andrefan'i Jordana raha toa ka ny maha any ampitan'i Jordana an'ireo foko ireo no nahatonga azy ireo hampiseho fihemorana (araka ny fiheverany).
  5. Rehefa ampangaina, na marina ny fiampangana na diso, dia aoka hanao famaliana mora mba hampianina ny fahatezerana mafy. Tsy hitarika ho amin'ny filaminana mihitsy ny famaliana ny fiampangana amin'ny fiampangana. Miezaha hahatakatra ny hafa mialoha ny hiezahana hanazava ny hevitrao.
  6. Mifalia ary misaora an'Andriamanitra rehefa tafaverina indray ny filaminana ary mivitrana indray ny fihavanana. Mahafinaritra ny mahita ny fifaliana vokatry ny fo tsapan'ny fiangonana isiraelita rehefa ren'izy ireo ny tena antony nanosika ireo foko roa sy ny antsasaky ny firenen'i Manase hanorina alitara. Tsy niavonavona izy ka niziriziry tamin'ny heviny, fa nanaiky ny fahadisoan'izany.

Ho nampihatra ireo fitakian'ny fanekena ny vahoakan'ny Isiraely raha toa ka tena nampiseho fihemorana tokoa ireo foko tany atsinanan'i Jordana. Tsy azo atao tohan-kevitra mba hampandeferana ny fahamarinana na koa hialana amin'ireo fitsipiky ny Baiboly ny fitandroana ny firaisana. Na izany aza, dia tokony ho safidy farany (fa tsy voalohany indrindra) ny fitsipi-pifehezan'ny fiangonana rehefa tsy mahomby ny ezaka maro natao mba hampihavana sy ny fiaraha-miasan'ny mpitandrina izay miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ho samy hafa manao ahoana ny ao am-piangonantsika raha hampiharina mandrakariva izany fitsipika tsotra izany!

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal