Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ny vavaka nataon’i Jesôsy

Daty
Alakamisy 12 December 2024

Antsoina hoe vavaka nataon'i Jesôsy amin'ny maha-mpisoronabe Azy ny Jao. 17 indraindray. Mamarana ny lahateny ataony ho fanaovam-beloma izany. Tonga teto amin'ity tany ity i Jesôsy mba hamerenana ny taranak'olombelona ho amin'ny fifandraisana nananany tamin’Andriamanitra tany am-piandohana. Tamim-pahatokiana no nanaovany ireo famantarana izay nomen'Andriamanitra Azy mba hataony. Tamin'ny teny sy tamin'ny asa no nampahafantarany an'Andriamanitra tamin'ny olona.

Efa hiala teto an-tany i Jesôsy tamin'izay. Niriny ny hizara indray ny Fitiavany amin'ireo mpianany. Niriny ny hahatakaran'izy ireo ny fifandraisana ety misy eo Amisy sy ny Ray ary ny Fanahy Masina. Ary niriny ny hitondra azy ireo ho eo amin'ny fifandraisana manokana amin'Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina tahaka izay ananany koa.

Vakio ny Jao. 17:1-26, Inona ny teny na fehezanteny ao amin'io toko io, izay maneho ny fanirian'i Jesôsy hanana fifandraisam-pitiavana ety eo Aminy sy ny Ray ary ireo mpianany?

Maro no mamaky ny Jao. 17 ka mandray ny hevitr'izany ho toy izao: ny firaisana sy ny fitiavana no hany zava-manan-danja. Tsy isalasalana fa ny hamerina antsika indray ho amin'ny fifandraisana manokana Aminy sy amin'ny olona rehetra no fikasan'Andriamanitra. Kanefa raha mamaky amim-pifantohana bebe kokoa isika dia hahita fa misy fifandraisana iankinana aina bebe kokoa eo amin'ny fitiavana sy ny fahamarinana.

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina" - Jao. 17:3, fa tsy ilay Andriamanitra araka izay leritreretantsika Azy tsy akory. "Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; (...) ary notandremany ny teninao (...) ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho." Jao. 17:6,8. "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana, Jao. 17:17.

Tonga mba hanambara ny Ray i Kristy. Manan-danja izany fanambarana izany noho ny amin'ireo fiheveran-diso maro mikasika an'Andriamanitra. Asehon'ny filazantsaran'i Jaona  ny fandraisan'i Jesôsy amim-pahamatorana ny iraka nampanaovina Azy. Nasehony araka tokony ho izy ny Tenin'Andriamanitra sy ny Asany. Raha toa tsy nanan-danja ny fahamarinana, nahoana moa i Jesôsy no nandany fotoana betsaka nitoriana izany sy nankatoavana an'Andriamanitra?

Fiainana feno zava-tsarotra no niainan'i Jesôsy; tamin'ny farany anefa dia nolavin'ireo manam-pahefana ara-pivavahana Izy. Niaretany ny tsy firaihan'ny olona, eny ny tsy firaihan'ireo mpianany mihitsy aza tamin'ny fotoana sasany. Namadika Azy ny anankiray tamin'ny mpianany, ny iray hafa indray nandà Azy intelo. Fizahan-toetra tsy nanam-pitsaharana no nandalovany, ary maty teo amin'ny hazo fijaliana teo am-pelatanan'ny olona Izy kanefa ny hamonjy azy ireo no nahatongavany.

Ahoana no hahafahanao maneho taratra bebe kokoany fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, fitiavana tahaka izay misy eo amin'i Jesôsy sy ny Ray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal