Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - "Indro ny Lehilahy!"

Daty
Alatsinainy 16 December 2024

Vakio ny Jao. 18:38-19:5. Tamin'ny fomba ahoana no niezahan'i Pilato nandresy lahatra ny vahoaka hangataka ny famotsorana an'i Jesôsy ?

Tsy niandry valin-teny avy amin'i Jesôsy momba ny fahamarinana i Pilato fa nivoaka tany ivelany izy, niezaka nandresy lahatra ny vahoaka. Mbola nifandahatra tamin'izy ireo indray anefa izy fa tsy avy hatrany dia nandefa an'i Jesôsy , koa izay no nahavoa azy. Hitan'ireo mpitondra fivavahana fa azony nentina tamin'ny sangany i Pilato, tamin'ny alalan'ny vahoaka.

Nisy fanaon'ny Jiosy noresahin'i Pilato, dia ny famotsorana gadra anankiray rehefa Paska. Koa nanontany ny vahoaka izy raha tian'izy ireo ny hamotsorana ny "mpanjakan'ny jiosy. Somary mahatsikaiky ihany kanefa mampalahelo sady mahagaga fa naleon'ny vahoaka i Barabasy, izay jiolahy, no havotsotra, toy izay i Jesôsy tsy manan-tsiny.

Dia nanomboka ny fanesoana sy ny fanarabiana an'i Jesôsy. Nandrandrana satroka tsilo ho Azy ny miaramila romanina ary nampitafy Azy lamba volomparasy, sady nanatona sy naneso Azy hoe: "Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!". Tahaka izany no fiarahaban'ny miaramila ny amperora, saingy teto dia natao fanarabiana izany.

Toa nanantena hanetsika ny fangorahan'ny vahoaka i Pilato, nitady fomba hanafahana an'i Jesôsy. Navoakany ho hitan'ny vahoaka i Jesôsy , nanao satro-tsilo sy niakanjo volomparasy. Dia teo i Jesôsy, nitafy akanjo maha-mpanjaka izay naniratsirana Azy, ary i Pilato niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Indro ny Lehilahy! Jao. 19:5; tsy nisy fanampim-panazavana hafa avy amin'i Jaona ny amin'izany tranga rehetra izany. Mampahatsiahy ilay tenin'i Jaona mpanao batisa ao amin'ny Jao. 1:29 io, hoe: "Indro ny Zanak'ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Ny govemora mihitsy izao no nampiseho ny Mesia teo anoloan'ny Isiraely tao anatin'ny fitafian'ny maha-mpanjaka; fanesoana re izany, kanefa tsy fantany fa Izy tokoa no Mpanjaka!

Voalaza ao amin'ny Jao. 19:6-16 anefa fa nangataka ny hanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana ny vahoaka, satria nilaza ny Tenany ho Zanak'Andriamanitra Izy. Naharaiki- ahotra an'i Pilato izany, izay vao mainka nitady izay fomba hanafahana an'i Jesôsy. Namaritra ny anjaran'i Jesôsy anefa ireo mpitondra fivavahana tamin'ny nilazany fa fanoherana an'i Kaisara ny fanafahana an'i Jesôsy. Fantatr'izy ireo fa ny fahatokian'i Pilato tamin'i Kaisara dia hanakana azy tsy hanafaka olona izay mitonona ho manan-toerana tahaka ny an'i Kaisara. Nilaza ireo mpitondra fivavahana ireo fa tsy manana mpanjaka afa-tsy i Kaisara. Hita amin'izany fa lehibe lavitra noho ny faniriany soa ho an'ny fireneny ny fankahalany an'i Jesôsy. Naleony mihitsy nanao sorona ny fahaleovan-tenan'ny fireneny, izay efa nokatsahiny hatry ny ela, toy izay hamela an'ity Jesôsy ity ho afaka.

Tena mampatahotra tokoa ny hoe mpanapaka mpanompo sampy iray по naniry hanafaka an'i Jesôsy, tamin’ireo mpitondra fivavahana teo amin'ny fireneny kosa, izay tokony ho nahafantatra Azy, ireo indray no nitaky ny hanomboana Azy teo amin'ny hazo fijaliana! Inona ny lesona azontsika raisina ho an'ny tenantsika avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal