Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.

Daty
Alakamisy 19 March 2026

Inona no fahamarinana manan-danja indrindra natao ho fantatsika amin'ny maha Kristianina antsika? fahotantsika izany, ary koa ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay amin'ny Mazava loatra fa ny fahafatesan'i Jesôsy Kristy noho ny alalan'ny finoana Azy. Fahamarinana izay tsy ho fantatsika samirery mihitsy izany, fa tsy maintsy ambara na ampahafantarina antsika. Ary ao amin'ny Tenin’Andriamanitra no anambarana azy.

Marobe tokoa ny fahamarinana sy fahalalana ary fahendrena izay tsy ho fantatsika mihitsy raha tsy nambaran'Andriamanitra antsika tao amin'ny Teniny. Tsy nomena antsika amin'ny maha fahalalana azy na zavatra tokony ho fantatra fotsiny anefa izany fahamarinana sy fahalalana ary fahendrena izany, fa tokony hiainantsika mihitsy.

Vakio ny Kôl. 4:5,6. Amin'ny toe-javatra manao ahoana no anambaran'i Paoly fa ilantsika ny "mandeha amin'ny fahendrena"? Nahoana?

Mampalahelo fa indraindray dia tsy hita na tsapa mihitsy ny maha Kristianina antsika! Ary araka izay voalazan'i Paoly (raha mamerina ny teny ao amin'ny Isa. 52:5 izy), Isiraely koa dia vato fanafintohinana ho an'ireo tsy mpino: "hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa." - Rôm. 2:24. Manan-danja tokoa ny zavatra ataontsika amin'ny hafa, indrindra amin'ireo tsy ao amin'ny finoana (jereo ny Tit. 2:5; 2 Pet. 2:2). Ny tokantrano kristianina, ny fahatsaram-panahy aseho amin'ny fomba tsotra, ny toetra tony sy feno faharetana dia milaza zavatra betsaka amin'ireo izay manara-maso antsika mba hahitany raha marina tokoa na tsia ny fitononantsika tena ho Kristianina.

Mifantoka manokana amin'ny teny ataontsika i Paoly ao amin'ny Kôl. 4:6: *Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva." Tsy tokony ho tsara fanahy sy hahalala fomba fotsiny isika rehefa miteny, fa ny teny izay ataontsika dia tokony ho vonton'ny fahasoavan'Andriamanitra, eo ambany fiasan'ny Fanahy Masina.

"Ho mamy sira." Mifanohitra amin'ny famaritan'izao tontolo izao ny teny hoe "masira", ny tenintsika dia tokony ho mendrika sy mahasarika manoloana ireo olona itenenantsika azy.

"Mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manisy ny teny tokony holazaina ao am-bavantsika amin'ny fotoana mety, ho amin'izay tanjona tokony ho izy. Izy irery koa no mahay manomana ny sain'ireo mpihaino handray ny hafatra "tokony" hoentintsika (eto koa, dia mbola ny teny hoe dei no ampiasaina - jereo ny famelabelarana omaly mikasika ny Kôl. 4:4).

Eritrereto ny teny sy ny asa ataonao ary ny fomba fiainanao manoloana ny hafa. Inona no hafatra ampitainao mikasika ny finoanao sy ny hevitry ny hoe "Kristianina"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal