Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.

Daty
Talata 15 September 2026

Ahitana fampitandremana marobe mikasika ny mpampianatra sandoka teo anivon'ny fiarahamonina kristianina ao amin'ny TV. I Jesôsy mihitsy aza no efa nampitandrina ireo mpianany ny amin'izany (Mat. 7:15-20). Nisintona ny saina ny amin'izany koa ireo apostoly (Gal. 1:6-9; 1 Tim. 6:3-5; 2 Pet. 2:1-3).

Vakio ny 2 Kor. 11:1-15. Ahoana no anehoan'i Paoly ny fihalkana atrehiny momba Ireo mpampianatra sandoka?

Mampiharihary ny asan'ireo mpampianatra sandoka i Paoly. Miaraka amin'izay no anehoany fa miorina amin'i Kristy ny fanompoany. Mampitaha ny fiangonana tao Korinto amin'ny ampakarina izy ka mandray ny tenany ho toy ny rain'izy ireo, ray izay manana andraikitra ny hanolotra azy ho an'i Kristy (2 Kor. 11:2). Izany no ataony dia noho ny fitiavany ny fiangonana (2 Kor. 11:11). Noho izany, dia nezahiny mihitsy aza izay tsy hahatonga azy ho vesatra ho an'ny fiangonana, na dia nanan-jo ny hahazo fanohanana ara-bola tamin'izy ireo aza izy (2 Kor. 11:7-12).

Etsy andanin'izany, ireo "Apostoly ambony indrindra ireo" (azo heverina fa manondro ireo mpampianatra sandoka izany) dia ampitahainy amin'ilay menarana izay namitaka an'i Eva (2 Kor. 11:3). Toa an'i Satana tao amin'ny sahan'i Edena, ireo mpampianatra sandoka tany Korinto dia sady mpamitaka no feno faharatsiana (2 Kor. 11:3, 4). Nampanahy an'i Paoly indrindra ny hitarihan'izy ireo ny Korintinina hania ka hiala amin'ny fanoloran-tena marina sy ny fanarahana an'i Kristy.

Nitory hafatra tsy tahaka izay notorian'i Paoly ireo mpampianatra sandoka - Jesosy hafa ary filazantsara hafa no notoriny (2 Kor. 11:4). Izany no mampiseho fa tsy fitaovana sy iraka ampiasain'Andriamanitra avokoa tsy akory izay rehetra mitory an'i Jesosy. Izao no nolazain'i Jesosy mikasika izany indrindra: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."- Mat. 7:21. Ambaran'i Paoly ao amin'ny Gal. 1:6-9 fa izay rehetra mitory filazantsara hafa dia mitondra ozona ho an'ny tenany, kanefa ny sasany tamin'ireo mpino tany Korinto dia nandefitra manoloana ny fahadisoana tahaka izany.

Nampiharihary ireo mpampianatra sandoka i Paoly raha nilaza fa izy ireny dia "mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy."- 2 Kōr. 11:13. Niseho ho toy ny apostolin'i Kristy ireny, tahaka an'i Satana "mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. Koa (...) ny mpanompony koa (...) mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana."- 2 Kor. 11:14, 15. Toe-javatra mahonena tokoa izany: mitonona ho mpanompon'i Kristy kanefa miasa toy ny mpanompon'i Satana. Mamarana io lohahevitra io i Paoly amin'ny filazana fa "ny farany ho araka ny asany ihany."- 2 Kor. 11:15.

Jereo ny fomba hentitra namaliany ny fahadisoana tao amin'ny fiangonana! Inona no tokony hambaran'izany amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (58)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal