Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 15 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 22:34-40; Zak. 7:9-12; Sal. 82; Mika 6:8; Mat. 23:23-30; Lio. 10:25-37.

Tsianjery:

"Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?" - 1 Jao. 4:20

NAndriamanitra amin'ny farany, dia mbola manan-dania hatrany ny zavatra ataontsika eto amin'izao andro izao, amin'ny maha-Kristianina antsika. Na dia maro aza ny tsy rariny sy ny faharatsiana izay tsy hofoanan'Andriamanitra izao ankehitriny izao (vokatr'ireo fepetran'ny fifanandrinana lehibe), dia tsy midika izany fa tsy azo ampiasaina isika mba hanampy amin'ny fanamaivanana ny fahoriana sy ny faharatsiana eo amin'ny lalantsika, araka izay tratra farafahakeliny. Raha ny marina, dia adidintsika amin'ny maha-Kristianina ny manao araka izany.

Araka izay efa hitantsika, dia miara-dalana ny fitiavana sy ny rariny ary tsy afa-misaraka. Tia ny rariny Andriamanitra. Araka izany, raha tia an'Andriamanitra isika, dia ho tia ny rariny koa.

Raha tia an'Andriamanitra isika dia hifankatia koa. Anisan'ny fitiavana ny hafa ny fiheverana izay mahasoa ireo manodidina antsika. Tsy tokony hitazam-potsiny isika rehefa ampahorin'ny fahantrana sy iharan'ny fampijaliana na ny karazana tsy rariny ny hafa. Tsy tokony hodiantsika tsy hita ny fahorian'ny hafa fa mety indrindra ny hanontaniantsika tena ny amin'izay tokony hatao, isika manokana sy miaraka amin'ny hafa. Izany dia mba hampandrosoana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahamarinana amin'ny fomba izay maneho amin'ity tontolo simba ity ny toetra tonga lafatr'ilay Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fitiavana izay ivavahantsika.

*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal