Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina

Daty
Alatsinainy 22 December 2025

AMIN'NY FAHITSIANA SY NY FAHAMARINANA

Inona no nasain'i Josoa nataon'ireo Isiraelita? (Jos. 24:14,15). Midika inona ny hoe manompo an'l Jehôvah amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana?

Ny fiantsoana nataon'i Josoa dia maneho mazava fa tsy maintsy misafidy ny Isiraely na hitoetra ho firenena miavaka sy honina ao amin'ny tany amin'ny alalan'ny fankatoavana ny Mpamorona azy, na hiverina ho tahaka ny iray amin'ireo mponina marobe mpanompo sampy izay tsy manana ny maha-izy azy ary tsy manan-tarnjona sy iraka hotanterahina. Azy ireo ny safidy.

Roa sosona ny antso nataon'i Josoa: ny hananan'ny Isiraely fahatahorana an'i Jehôvah sy ny hanompoan'izy ireo Azy "amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana." Ny fahatahorana an'i Jehovah dia tsy midika ho fangovitana sy fisamboaravoaran'ny fihetsehampo tsy mitsahatra. Tsy izany, fa manondro ny fanajana fatratra sy ny fahatahorana izay teraka avy amin'ny fiaikena ny fahalehibiazan Andriamanitra tsy hay takarina sy ny fahamasinany ary koa ny maha-tsy manam-petra Azy izany, ary koa manondro ny fahakelezantsika sy ny maha-mpanota sy manam-petra antsika. Ny fahatahorana an'Andriamanitra dia fahatsapana mandrakariva ny halehiben ireo fitakiany, fiaikena fa tsy Raintsika any an-danitra fotsiny Izy fa Andriamanitra Mpanjaka koa. Ny fahatsapana tahaka izany no hitarika ho amin'ny fiainam-pankatoavana (Lev. 19:14; Lev. 25:17, Deo. 17:19; 2 Mpanj. 17:34). Raha hoenti-milaza ny toetra ao anatiny izay tokony hananan'ny Isiraelita anankiray ny "fahatahorana", dia ny fanompoana kosa no vokatr'izany fahatahorana an'Andriamanitra izany.

Teny hebreo roa no mamaritra ny fanompoana notakina tamin'ny Isiraely: "amin'ny fahitsiana" ary "amin'ny fahamarinana." Ny teny voalohany (tamim) dia ampiasaina indrindra ho mpamari-toetra hoenti-milaza ny fahatanterahan'ny biby izay atao fanatitra. Ny teny faharoa izay manondro ny fanompoan'ny Isiraely dia ny "fahamarinana," na koa ny "fahatokiana" (Heb. 'emet). Hoenti-milaza tsy fiovaovana izany ankapobeny. Hoenti-manondro an'Andriamanitra io teny io, Izy ilay mahatoky tanteraka amin'ny Isiraely.

Azo ianteherana sy mendri-pitokisana ny olona mahatoky. Raha ny marina, dia mangataka amin'ny Isiraely i Josoa mba hanehoan'izy ireo fahatokiana amin' Andriamanitra tahaka ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny vahoakany teo amin'ny tantara hatrizay. Tsy fanarahana ivelambelany ireo Fitakiany fotsiny izany fa fahitsiam-po tsy mizarazara. Tokony ho hita taratra eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fankasitrahana an'Andriamanitra noho izay efa nataony ho azy. Raha ny marina, dia tahaka izany koa no tokony hifandraisantsika amin'izao andro izao amin'i Jesôsy.

Midika inona ho anao ny hoe manompo an'i Jehôvah "amin'ny fahitsiana" sy amin'ny "fahamarinana"? Inona avy ny zavatra mety hanembantsembana eo amin'ny flainanao ka misakana ny fanoloran-tenanao amin'ny fahafenoana ho an'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: - Ny fotoana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal