Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Daty
Sabotsy 20 December 2025

FIDIONAREO ANIO!

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 24; Gen. 12:7; Deo. 17:19; Deo. 5:6; 1 Mpanj. 11:2,4,9; 2 Tim. 4:7,8.

Tsianjery:

"Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehôvah , dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo (...) fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehôvah izahay." - Jos. 24:15

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ry tontolon-kevitry ny fanompoam-pivavahana ho fanavaozana ny fanekena ny toko farany ao amin'ny bokin'i Josoa, saingy amin'ity Lindray mandeha ity dia ilay mpitarika ny Isiraely efa antitra no nitarika izany. Na dia tsy fanekena aza io toko io fa fitantarana ny fotoana manokana nanavaozan'ny Isiraely ny fanekena, dia hita ao ihany ireo singa nanamarika ny fifanarahana na fanekena nifanaovana tamin'ny tompomenakely tany Proche-Orient tamin'izany andro izany: (1) sasinteny izay manondro ilay tompomenakely manao fanekena voalohany; (2) tantara izay milazalaza ny fifandraisana eo amin'ilay tompo sy ny mpanompony: (3) ny andinindinin'ny fanekena izay milaza amin'ilay mpanompo mba haneho fahatokiana feno amin'ny tompony, fahatokiana izay miorina amin'ny fankasitrahana; (4) ireo fitahiana noho ny fankatoavana sy ny ozona noho ny fandikana ny fanekena; (5) fitanisana ireo vavolombelon'ny fianianana nataon'ilay mpanompo; (6) fandraketana an-tsoratra izay hovakina amin'ny hoavy; (7) fanamafisana ny fanekena.

Efa manakaiky ny fotoana hahafatesan'i Josoa nefa tsy mbola manangasanga izay handimby azy. Ny fanavaozana ny fanekena dia fampahatsiahivana amin'ny Isiraely fa Yahweh mihitsy no Mpanjakan'izy ireo, ary koa raha mitoetra ho mahatoky Aminy izy ireo dia hahazo ny Fiarovany. Tsy mila olombelona hanjaka aminy ny Isiraely. Amin'ny maha-firenena eo ambany fanapahan Andriamanitra azy dia tokony ho ao an-tsain'izy ireo mandrakariva fa Jehovah no hany Mpanjakany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 27 Octobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal