Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fihaonana tany Galilia.

Daty
Alahady 22 December 2024

Vakio ny Jao. 21:1-19. Inona no fahamarinana manan-danja ambara eto, indrindra momba ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanetren-tenan'ny olombelona?

Ny tanjon'ilay filazantsara no mamarana ny Jao. 20, raha ny lôjika dia ao no hamaranana izany saingy mbola misy toko iray fanampiny. Miantomboka amin'ny fiverenan'ny mpianatra sasany tany Galilia ny toko faha-21, ary nanoso-kevitra ny handaniana alina iray teo amin'ny farihy i Petera. Toy ny hoe niverina ny andro fahiny, ary niverina tamin'ny asa fanaony ireo mpianatra, dia ny fanaratoana izany. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ireo tamin'io alina io.

Nony maraina, dia nisy olon-tsy fantatra iray teo amoron-drano nilaza tamin'izy ireo mba handatsaka ny haratony any ankavanan'ny sambokely. Rehefa izay dia nahazo trondro betsaka izy ireo ka tsy voasariny mihitsy aza ny harato. Tahaka ny tamin'ny niandohan'ny asa fanompoan'izy ireo niaraka tamin'i Jesôsy izany (jereo ny Lio. 5:1-11). Nahafantatra an'i Jesôsy avy hatrany i Jaona ka nilaza tamin'i Petera, izay nitsambikina hankao anaty rano ary nilomano nankeny amoron-drano.

Nametraka fanontaniana telo tamin'i Petera i Jesôsy. Mahakasika ny fitiavana ny Tompony avokoa izany. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana dia nitompo teny mafy i Petera fa hahafoy ny ainy ho an'i Jesôsy mihitsy izy (Jao. 13:37). Tamin'izay no nilazan'i Jesôsy mialoha fa handà Azy intelo izy  (Jao. 13:38). Tsy ny tenany no nasongadin'i Petera tamin'ity fihaonana tany Galilia ity fa i Jesôsy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho" - Jao. 21:17.

Misy olona sasany milaza fa ny matoanteny hoe agapaō, izay midika hoe "tia", no nampiasain'i Jesôsy raha nanontany an'i Petera (afa-tsy tamin'ny fanontaniana farany), ary i Petera kosa dia namaly mandrakariva tamin'ny matoanteny phileō, izay midika hoe "tia" saingy maneho fitiava-namana fotsiny izany. Izao no tian'izany hambara: tsy nahatanteraka ilay karazam-pitiavana ambony kokoa i Petera.

Raha ny marina anefa, ny valin-tenin'i Petera dia nifantoka tamin'ny fanetren-tena. Tao an-tsainy mandrakariva ny tsy fahombiazany ka izany no nampiasany tamim-panetren-tena ny fiteny somary "malefaka" kokoa satria tsy sahy nilaza zavatra betsaka momba ny tenany izy. Tsapan'i Jesôsy izany fanetren-tena izany, ary tonga zava-dehibe teo amin'ny famerenana an'i Petera ho amin'ny asa fanompoana indray izany. Tsy isalasalana fa anankiray amin'ny toetra tsara indrindra hoenti-manompo ny fanetren-tena, satria i Jesôsy Kristy no manjary ifantohana fa tsy ny tena.

Ny famerenana an'i Petera amin'ny laoniny sy ny anjara asany amin'ny maha-mpitarika azy tao amin'ny fiangonana voalohany no porofo goavana indrindra fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy. Ho sarotra tokoa ny hanazava ny toerana manan-danja notanan'i Petera raha toa i Jesôsy tsy namerina azy indray ho amin'ny asa fanompoana teo imason'ireo mpianatra hafa.

Nahoana ny fanetren-tena no manan-danja tokoa ho an'izay rehetra maniry ny hahalala ny Tompo? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, inona moa no ananantsika ka azontsika hireharehana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal