Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Mibanjina an’i Jesôsy

Daty
Alatsinainy 23 December 2024

Vakio ny Jao. 21:20-22. Inona ny fanontaniana nitarika an'i Petera ho amin'ny lalana tsy izy? Ahoana no nanitsian'i Jesôsy izany?

Vao avy namerina an'i Petera indray ho amin'ny asa fanompoana i Jesôsy ary nilaza taminy hoe: "Manaraha Ahy" (Jao. 21:19). Azo inoana fa fanarahana ara-bakiteny an'i Jesôsy hankeny amorom-pasika izany. Ny antony dia noho i Petera nitodika ka nahita an'i Jaona nanaraka an'i Jesôsy koa, ary nanontany momba an'i Jaona izy hoe: "Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?" - Jao. 21:21.

Raha namerina an'i Petera ho amin'ny fanompoana indray i Jesõsy dia nilaza mialoha ny fomba hahafatesan'i Petera (Jao. 21:18). Toy ny naneho fahalianana ny amin'ny fomba hahafatesan'i Jaona koa i Petera ka nahitsin'i Jesôsy ny fisainany mba hifantoka amin'ny toe-java-tsarotra hatrehiny eo am-panarahana Azy fa tsy hanahy ny amin'izay hitranga amin'ny mpianatra hafa.

Vakio ny Jao. 21:23-25. Diso ny fomba nahatakaran'ny mpianatra ny teny voalazan'i Jesôsy; tamin'ny fomba ahoana? Ahoana no nanitsian'ny apôstôly Jaona izany tsy fahazoan-dresaka izany?

Tsy azon'ny olona araka ny tokony ho izy ny tenin'i Jesôsy nanao hoe: "Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy hianao." - Jao. 21:22. Noheverin'izy ireo fa izao no hevitr'izany: hiverina mialoha ny hahafatesan'i Jaona i Jesôsy. Rehefa nandeha ny fotoana ary nihalehibe i Jaona, dia ho fotoan-tsarotra ho an'ny olona tokoa ny fahafatesany kanefa tsy niverina i Jesõsy (mazava loatra fa maty tokoa i Jaona). Nahitsin'i Jaona izany fiheveran-diso izany ka nambarany fa ny fanirian'i Jesôsy no nambarany teto fa tsy faminaniana ny amin'izay hitranga.

Tari-dalana manan-danja ho an'ireo andro ambiny ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity ny fifantohana amin'i Jesôsy fa tsy amin'ny hafa. I Jesôsy irery ihany no Mpamonjy antsika. Handiso fanantenana anao ny olona, tsy azo ihodivirana izany, mety handratra anao koa aza izy ireo.

Mandray indray ny lohahevitra momba ny fahatakarana ny Tenin'Andriamanitra ny fahamarinana dinihina ao amin'ny Talata hatramin'ny Alakamisy, ary ao anatin'izany no hikendrena ny hahalalana an'i Jesôsy sy ny hanarahana Azy. Izy irery no tokony ho Tompontsika sy Mpitari-dalana antsika, na dia eo aza ny fanampiana mety homen'ny hafa antsika sy ny torohevitra ary ny fitarihan-dalan'izy ireo.

Impiry ny olona, izay nandrandrainao, no nandiso fanantenana anao? Inona ny lesona nianaranao avy tamin'izany fanandramana izany (na dia lesona naharary aza izany)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal