Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Teolojia avy " any ambony " sa avy " aty ambany "?

Daty
Alarobia 25 December 2024

Vakio ny Jao. 4:46-54. Inona no olana nahatonga an'ilay tandapa hanatona an'i Jesôsy, ary inona no tena toe-javatra nisy tao ambadik'izany teto?

Nanatona an'i Jesôsy, ilay Fahazavan'izao tontolo izao, ity lehilahy ity saingy nanapa-kevitra izy ny tsy hino raha tsy efa manasitrana ny zanany i Jesôsy. Azontsika lazaina ho "teôlôjia avy aty ambany" ny teôlôjian'ity lehilahy ity. Ny teôlôjia avy aty ambany dia mametraka fitsipika sy fenitra mba hinoana an'Andriamanitra sy ny Teniny. Ny fihevitr'olombelona, izay tsy tonga lafatra sy voafetra ary koa mitanila, no tonga fahefana faratampony hoentin'ny olona mandray ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra. Fandrika mampidi-doza manao ahoana re izany!

Ny teôlôjia "avy any ambony" kosa dia mamaly amin'ny finoana, dia ny finoana an'Andriamanitra sy ny Teniny ambonin'ny zavatra rehetra (Jao. 4:48; Jao. 6:14,15; 2 Tim. 3:16). Rehefa ekena amim-pinoana ny Baiboly dia tonga mpanazava ny tenany. Ny fomba fijerin'ny Soratra Masina fa tsy ny fampianaran'ny olona no tari-dalana ho amin'ny fahatakarana sy ny fanazavana ny Soratra Masina. Tokony hampileferina sy hampanekena ny Tenin'Andriamanitra ny fomba fijerin'olombelona, fa tsy ny mifanohitra amin'izany.

Tsy maintsy mino ireo teny ao amin'ny Soratra Masina isika raha toa ka mino ny tenin'i Jesôsy (Jao. 5:46,47). "Raha maharitra amin'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa" - Jao. 8:31. Raha misalasala ny amin'ny Tenin'Andriamanitra isika dia tsy afaka ny hitoetra ao anatintsika ny Teniny (Jao. 5:38). "Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko." - Jao. 12:48,49.

Mihoatra noho ny fandrenesana fahalalana tsotra fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra. Midika ho fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra koa izany, ary izany no valiny asetry ny fandrenesana ny Teny. "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." - Jao. 7:17.

Ary fanehoana fitiavana amin'Andriamanitra izany fihainoana sy fanaovana araka ny Tenin'Andriamanitra izany. "Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23.

Inona no ifandraisan'ny fitiavantsika an'i Jesôsy sy ny fankatoavana? Nahoana ny karazana "fankatoavana" tsy miorina amin'ny fitiavana no loza mitatao mety hahatonga fitandreman-dalana diso toerana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal