Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Masina sady marina no tsara ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 24 March 2025

Ny fitiavana no fototra iorenan'ny lalan'Andriamanitra. Rehefa manandratra ny lalàna Andriamanitra, dia manandratra ny fitiavana. Izany no anton'ny nahafatesan'i Jesôsy hamonjy ny mpanota, mba hahafahany manandratra ny lalàna sy mandrotsaka amintsika koa ny fahasoavany. Dia izany no mahatonga Azy ho marina sady mpanamarina izay rehetra mino Azy (Rôm. 3:25,26). Fanehoam-pitiavana re izany! Koa tsy manafoana ny lalàna velively ny fanavotana antsika, fa manamafy izany aza.

Vakio ny Rôm. 6:1-3 sy ny Rôm. 7:7-12, ka diniho manokana ny and. 12. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny lalana, na dia taorian'ny nahafatesan'i Kristy aza?

Na mino aza ny olona sasany fa manafoana ny lalàna ny fahasoavana sy ny fanavotana, i Paoly kosa dia milaza mazava fa tsy afaka mitoetra amin'ny ota isika mba hitomboan'ny fahasoavana. Raha ny marina, ireo izay natao batisa tao amin'ny finoana an'i Kristy dia "natao batisa ho amin'ny fahafatesany", koa mahazo mihevitra ny tenany ho efa maty ny amin'ny ota izy, fa velona ho an'i Kristy kosa.

Tsy fahotana ny lalàn'Andriamanitra fa mampiharihary ny fahotana sy ny maha-mpanota antsika (ankoatra ny zavatra hafa). Noho izany, "masina tokoa ny lalana, ary masina ny didy sady marina no tsara." - Rôm. 7:12. Tsy misy afa-tsy ny lalana no mahay maneho amintsika ny ilantsika tokoa famonjena sy fanavotana dia ny famonjena sy ny fanavotana avy amin'i Kristy irery ihany. Araka izany, tsy mahafoana ny lalana amin'ny finoana isika, fa vao mainka mampiorina tsara izany (Rôm. 3:31).

Tsy tonga hanafoana ny lalana i Kristy fa hanatanteraka izay rehetra nampanantenaina ao amin'ny lalàna sy ny mpaminany. Koa tsindriany tsara fa: "Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalana, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra."- Mat. 5:18.

Maneho ny fahamasinan'Andriamanitra ny lalana ny fitiavany tonga lafatra, ny fahitsiany, ny fahatsarany, ary ny fahamarinany (Lev. 19:2; Sal. 19:7,8; Sal. 119:142,172). Araka izany, misy antony lehibe matoa nosoratan'Andriamanitra mihitsy teo amin'ny vato fisaka ny Didy folo, ao amin'ny Eks. 31:18. Vavolombelon'ny toetran'Andriamanitra tsy miova sy ny fitondram-panjakany miorina amin'ny fitiavana izany- izay lohahevi-dehibe ao anatin'ny fifanandrinana lehibe.

Mifamatotra ny lalana sy ny fitiavana. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra tsara ny hevitry ny tenin'i Jesôsy hoe: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko" - Jao. 14:15?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal