Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.

Daty
Alahady 21 September 2025

NY SABATAN’I JEHÔVAH

Na manao ahoana na manao ahoana ny fiheveran-dison'ireo mpanohitra ny Sabata andro fahafito, fa natao ho an'ny Jiosy ihany ny Sabata (notahina sy nohamasinina tao Edena ny andro fahafito [jereo ny Gen. 2:1-3]), na milaza aza izy ireo fa tao Sinay no nandrenesan'ny Jiosy momba izany voalohany, izay tsy marina (satria efa nitandrina ny Sabata talohan'ny tranga teo Sinay ny Jiosy [jereo ny Eks. 16:22-29])-dia tsy misy isalasalana fa ampahany lehibe tamin'ny fiainan'ny vahoaka hebreo hatrany am-boalohany ny Sabata.

Vakio ny Eks. 35:1-3. Inona ny fahamarinana naverina tamin'ny olona teto, ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanorenana ny fitoerana masina?

Ny Sabata sy ny hafatra voiziny dia mahakasika an'Andriamanitra, na tamin'ny lasa, na ankehitriny, na ho mandrakizay - Iza Izy? Inona avy ny asa lehibe nataony? Mampahatsiahy atsiahy antsika ny asa famoronana sy famonjena nataon'Andriamanitra ny Sabata ary misarika ny saintsika ho amin'Andriamanitra, izay te honina eo amin'ny vahoakany. Araka izany, zavatra iray ihany no tondroin'ny Sabata sy ny fitoerana masina: ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Nivoy hafatra maro sosona ny Sabata teo amin'ny fiangonana tamin'ny andron'ny TT. Teboka dimy lehibe no azo amintinana ny votoatin'izany:

  1. Andriamanitra no Mpahary, ary manomboka amin'io fanambarana fototra sy mahatalanjona io ny Baiboly (Gen. 1:1). Ny Sabata no fahatsiarovana mazava ny Famoronana nataon'Andriamanitra (Gen. 2:2,3; Eks. 20:8-11). Miainga amin'io fahamarinana io avokoa ireo fahamarinana ara-Baiboly hafa rehetra - dia ny hoe: Andriamanitra no Mpahary.
  2. Ho avy ny Mesia, ary io fanantenana io dia mifototra amin'ny teny fikasan Andriamanitra momba ilay Taranaka, izay handresy ny menarana (Satana) sy ny faharatsiana.
  3. Hampiorina ny fanjakany Andriamanitra, ary ny Sabata dia santionan izany
  4. Avy amin'ny Tompo ny famonjena, ary ny vahoakan'Andriamanitra dia vavolombelona manambara fa Andriamanitra no Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo, ary ny fahasoavany irery ihany no ahazoan'ny olona famonjena.
  5. Andriamanitra no mpitsara faratampony ny olona rehetra. Ho ratsy fiafara izay minia manohitra sy manda Azy, fa omeny maimaimpoana ho an'izay manaraka Azy kosa ny fiainana mandrakizay.

Misy oha-pitenenana Jiosy manao hoe: "Ny Sabata no nitandrina ny Isiraely mihoatra noho ny nitandreman'ny Isiraely ny Sabata." Na dia meły tsy ho toy izany aza ny filazantsika azy amin'ny maha-Advantista antsika, inona no anjara lehibe tanan'ny Sabata eo amin'ny fialnam-piangonantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal