Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.

Daty
Talata 07 October 2025

FANOLORANTENA VAOVAO

Vakio ny Jos. 2:12-21 sy ny Eks. 12:13,22,23. Ahoana no anampian’ireo andininy ao amin'ny Eksodosy anao hahatakatra ny fifanarahana teo amin'ireo mpisafo tany sy i Rahaba?

Mazava tsara ny fifanarahana nataon'i Rahaba : aina solon'ny aina ary hatsaram-panahy solon'ny hatsaram-panahy. Ny teny hoe "chesed" (Jos. 2:12), nadika hoe "namindrako fo", dia manana hevitra lalina izay sarotra adika amin'ny voambolana tokana amin'ny teny hafa. Ny tsy fivadihana amin'ny fanekena no tondroiny voalohany indrindra, kanefa mivoy hevitra milaza fahatokiana, famindrampo, fahalalahan-tanana, ary fahalemem-panahy koa izany.

Mampahatsiahy ny voalazan'ny Deo. 7:12 koa ny tenin'i Rahaba, izay nianianan'i Jehôvah hitana ny "chesed" ny amin'ny Isiraely. "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehôvah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao" - Deo. 7:12.

Mahaliana fa io toko io ihany (Deo. 7) no mandidy ny fandringanana (cherem) ny Kananita. Indro i Rahaba, Kananita izy, kanefa noho ny finoana vaovao teraka tao am-pony, dia nitaky ireo teny fikasana nomena ny Isiraelita izy. Voavonjy izy vokatr'izany.

Ny sary voalohany tonga ao an-tsaina avy hatrany rehefa mandinika ny resaka nifanaovan'ireo mpisafo tany tamin'i Rahaba dia ny Paska ao amin'ny Eksodosy. Tamin'izany fotoana izany, mba ho voaro ny Isiraelita, dia tsy maintsy nijanona tao an-tranony izy ireo, namono zanak'ondry, ary nanentina ny ràn'izany teo amin'ny tolana sy ny tataom-baravarany.

"Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." - Eks. 12:13 (jereo koa ny Eks. 12:22,23)

"Amin'ny alalan'ny fankatoavana no anehoan'ny vahoaka hebreo ny finoana ananany. Toy izany koa izay rehetra nanantena hovonjena amin'ny alalan'ny ran'i Jesôsy , dia tokony tsy hanadino fa manan-javatra atao izy mba hahatomombana ny famonjeny. Tahaka ny maha-marina fa Jesôsy Kristy irery no mahafaka antsika amin'ny fanamelohan'ny ota vitantsika, dia toy izany indrindra no tokony hialantsika amin'ny ota ho amin'ny fankatoavana. Raha tahiny marina fa vonjena amin'ny finoana ny olona fa tsy amin'ny asa, dia toy izany, amin'ny alalan'ny asa no anaporofoana ny finoana ananana."-PM, t. 263, ed. 2014.

Ny rà no famantarana izay namonjy azy ireo tamin'ny anjely mpandringana. Tahaka ny namonjen’Andriamanitra ny ain'ny Isiraelita nandritra ny loza farany tany Egypta, dia toy izany koa no tokony hamonjen'ny Isiraelita an-dRahaba sy ny ankohonany rehefa tonga tao Jeriko ny fandringanana.

Inona no vaovao mahafaly lehibe hitantsika ao amin'ireo tantara roa ireo? Inona no leso na ara-pilazantsara azontsika tsoahina avy amin'izy Ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal