FANOLORANTENA VAOVAO
Vakio ny Jos. 2:12-21 sy ny Eks. 12:13,22,23. Ahoana no anampian’ireo andininy ao amin'ny Eksodosy anao hahatakatra ny fifanarahana teo amin'ireo mpisafo tany sy i Rahaba?
Mazava tsara ny fifanarahana nataon'i Rahaba : aina solon'ny aina ary hatsaram-panahy solon'ny hatsaram-panahy. Ny teny hoe "chesed" (Jos. 2:12), nadika hoe "namindrako fo", dia manana hevitra lalina izay sarotra adika amin'ny voambolana tokana amin'ny teny hafa. Ny tsy fivadihana amin'ny fanekena no tondroiny voalohany indrindra, kanefa mivoy hevitra milaza fahatokiana, famindrampo, fahalalahan-tanana, ary fahalemem-panahy koa izany.
Mampahatsiahy ny voalazan'ny Deo. 7:12 koa ny tenin'i Rahaba, izay nianianan'i Jehôvah hitana ny "chesed" ny amin'ny Isiraely. "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehôvah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao" - Deo. 7:12.
Mahaliana fa io toko io ihany (Deo. 7) no mandidy ny fandringanana (cherem) ny Kananita. Indro i Rahaba, Kananita izy, kanefa noho ny finoana vaovao teraka tao am-pony, dia nitaky ireo teny fikasana nomena ny Isiraelita izy. Voavonjy izy vokatr'izany.
Ny sary voalohany tonga ao an-tsaina avy hatrany rehefa mandinika ny resaka nifanaovan'ireo mpisafo tany tamin'i Rahaba dia ny Paska ao amin'ny Eksodosy. Tamin'izany fotoana izany, mba ho voaro ny Isiraelita, dia tsy maintsy nijanona tao an-tranony izy ireo, namono zanak'ondry, ary nanentina ny ràn'izany teo amin'ny tolana sy ny tataom-baravarany.
"Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." - Eks. 12:13 (jereo koa ny Eks. 12:22,23)
"Amin'ny alalan'ny fankatoavana no anehoan'ny vahoaka hebreo ny finoana ananany. Toy izany koa izay rehetra nanantena hovonjena amin'ny alalan'ny ran'i Jesôsy , dia tokony tsy hanadino fa manan-javatra atao izy mba hahatomombana ny famonjeny. Tahaka ny maha-marina fa Jesôsy Kristy irery no mahafaka antsika amin'ny fanamelohan'ny ota vitantsika, dia toy izany indrindra no tokony hialantsika amin'ny ota ho amin'ny fankatoavana. Raha tahiny marina fa vonjena amin'ny finoana ny olona fa tsy amin'ny asa, dia toy izany, amin'ny alalan'ny asa no anaporofoana ny finoana ananana."-PM, t. 263, ed. 2014.
Ny rà no famantarana izay namonjy azy ireo tamin'ny anjely mpandringana. Tahaka ny namonjen’Andriamanitra ny ain'ny Isiraelita nandritra ny loza farany tany Egypta, dia toy izany koa no tokony hamonjen'ny Isiraelita an-dRahaba sy ny ankohonany rehefa tonga tao Jeriko ny fandringanana.
Inona no vaovao mahafaly lehibe hitantsika ao amin'ireo tantara roa ireo? Inona no leso na ara-pilazantsara azontsika tsoahina avy amin'izy Ireo?