Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.

Daty
Alarobia 09 July 2025

IREO FIALAN-TSINY EFATRA

Vakio ny Eksodosy 4:1–17. Inona avy ireo famantarana nomena an'i Mosesy hataony mba hanamafisana ny toerany amin'ny maha-irak'Andriamanitra azy?

Niezaka nanala tsiny ny tenany indray i Mosesy tamin'ny asa nangatahan'Andriamanitra taminy (jereo Eks. 3:11). Tsy te hankany Egypta izy hiatrika an'i Farao. Efa tsy nahomby rahateo izy tamin'ny fanandramany teo aloha, tamin'ny herin'ny tenany, hanampy ny Hebreo. Ary koa, tsy nino na nanaiky azy ho mpitarika azy ny olony. Izany no nahatonga azy namolavola fanoherana fahatelo: " 'Ahoana raha tsy mino ahy izy ireo na tsy mihaino ahy?' " (Eks. 4:1, NIV). Tsy fanontaniana hianarana zavatra vaovao izany; fanandramana handà ny andraikitra nangatahan'Andriamanitra azy horaisiny izany.

Famantarana mahagaga roa no nomena an'i Mosesy hataony eo anatrehan'ny loholon'ny Isiraely ary, tatỳ aoriana, teo anatrehan'i Farao: (1) ny tehiny niova ho bibilava ary avy eo niverina ho tehina indray, ary (2) ny tanany lasa boka nefa sitrana avy hatrany. Ireo fahagagana roa ireo dia tokony handresy lahatra ny loholona fa miasa ho azy ireo Andriamanitra. Fa raha tsy izany, dia nampiana ny fahagagana fahatelo, dia ny fanovàna rano ho ra (Eks. 4:8, 9).

Na dia nanome an'i Mosesy ireo fahagagana mahery vaika ireo aza Andriamanitra, dia mbola nanamarika fialan-tsiny hafa, ny fahefatra, izy: tsy mahay miteny izy.

Vakio ny Eksodosy 4:10–18. Ahoana no namalian'ny Tompo an'i Mosesy, ary inona no lesona azontsika raisina avy amin'izany ho an'ny tenantsika, na inona na inona toe-javatra inoantsika fa iantsoan'Andriamanitra antsika?

Ireo fialan-tsiny efatra ireo dia mampiseho ny fahasarotan'i Mosesy hanaraka ny antson'Andriamanitra. Amin'ny fanoherana "mety", dia afeniny ny tsy faniriany handeha. Ny fialan-tsiny telo voalohany dia amin'ny endrika fanontaniana: (1) Iza moa aho? (2) Iza Ianao? ary (3) Ahoana raha tsy mino ahy izy ireo? Ary ny fanoherana fahefatra dia (4) ny fanambarana: "Tsy mahay miteny aho." Novalian'Andriamanitra avokoa izany rehetra izany ary nitondra vahaolana mahery vaika. Ho an'ireo fialan-tsiny ireo dia nanolotra fampanantenana maro mampatanjaka Andriamanitra.

Avy eo i Mosesy dia nanao ny fangatahany fahadimy sy farany ary nangataka mivantana hoe: " 'Tompoko ô, mba alefaso olon-kafa kosa' " (Eks. 4:13, NRSV). Ho valiny, Andriamanitra dia nilaza taminy fa efa mandefa an'i Arona rahalahiny hitsena azy mba hanohana azy Izy. Farany, niaiky mangina i Mosesy ary nangataka ny fitahian'i Jetro alohan'ny hiaingany hankany Egypta.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal