Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Ilay vehivavy janga vadin’i Hosea.

Daty
Talata 15 April 2025

Azo heverina fa izay nasain'Andriamanitra nataon'i Hosea mpaminany no iraka hafahafa indrindra nampanaoviny ny mpanompony: ny hampakatra vehivavy janga ho vady! Nampiasa an'i Hosea anefa Izy mba hanampy antsika hahatakatra, araka ny Formba fijeriny, ny alahelo vokatry ny fahotan'ny olombelona sy ny fikomian'izy ireo. Tamim-pitiavana no nifidianan’Andriamanitra vady (ny zanak'Isiraely) izay nijangajanga Taminy. Nahagaga anefa fa nampody azy Andriamanitra ary nanarina azy indray.

Ampitahao ny Hos. 1:2; Hos. 3:1; Apôk. 17:1,2 ary ny Apôk . 18:1-4. Inona ny fijangajangana resahina eto? Inona ny lesona azon'ny fiangonana kristianina sintonina avy amin'ny tantaran'i Hôsea? Fomba ahoana no amerimberenan'ny fiangonana ireo fahotana tao amin'ny Testamenta Taloha?

Asehon'ny Baiboly fa hamerina ireo fahadisoana ankapobeny nataon'ny Isiraely tao amin'ny Testamenta Taloha ny fiangonan'i Kristy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nandeha tamin'ny lalan-diso ilay vahoaka nanaovan'Andriamanitra fanekena, talohan'ny nanaovana sesitany azy ireo; nentiny ho ao amin'ilay firenena nanao fanekena tamin'Andriamanitra ny fomba fanao feno fanompoan-tsampin'ireo firenena nanodidina azy. Tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra dia nahatsapa ny tombontsoa mety ho azony ny fiangonana kristianina ka nila sitraka tamin'i Constantin amperoran'i Rôma, ary nanasa io amperora io mba handray anjara amin'ny fandaminana ireo fifandonana teo anivon'ny fiangonana. Tao anatin’izany toe-javatra tsirairay izany, dia niala lavitra ny fifandraisana tamin'Andriamanitra ny vahoakany mba hitady "vahaolana" manoloana ireo olana nitranga.

Maneho miharihary ny fiezahan'Andriamanitra hampiseho amintsika ny fahadisoantsika sy ny fihetsehampony manoloana izany ny teny nofidiny hampiasaina. Ireo izay efa niharan'ny famitahan'ny vadiny no mety hahatakatra ny alahelo lalina tsapan'i Kristy tany an-dapan'ny lanitra noho ny tsy fahatokiantsika taminy. Azo heverina fa ny haben'ny ezaka nataon'i Hôsea mba hanavotana indray ilay vadiny nania no ampahany mahatalanjona indrindra teo amin'ny tantaran'ity mpaminany ity.

Rehefa mijery ny antso farany atao amin'ny taranak'olombelona isika, ny antso izay atao amin'ny vahoakan'Andriamanitra mba hiala ao BabilôIina, dia tsara ny manamarika fa ny olony no antsoiny fa tsy vahoaka hafa tsy akory. Fantany tsara tokoa izy ireo, ary tiany. Raha mandroso mankamin'ny fotoana ratsy indrindra izao tontolo izao, dia mbola manolotra ny fanavotana izay naloany mba hividianana antsika indray tamin'ny Rany Andriamanitra. Ny hazo fijalian'i Kristy no tokony haneho amintsika, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny faniriana lalina ao anatin'ny fon'Andriamanitra hamonjy ny vahoakany izay mania.

Amin'ny fomba ahoana no mety hidiran'ny fiangonana amin'ny fijangajangana ara-panahy, eny fa na ny fiangonantsika aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal