Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 11 October 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 3; Nom. 14:44; Lio. 18:18-27; Jos. 4; Jao. 14:26; Heb. 4:8-11.

Tsianjery:

"Fa nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehôvah , ary mba hatahorany an'i Jehôvah Andriamanitrareo mandrakizay." - Jos. 4:23,24

Nasain'ilay mpitandro filaminana nijanona i John. Nangatahiny ny fahazoan-dalany mitondra fiarakodia. Tamin'izay indrindra vao tsaroan'i John fa hadinony tao amin'ny biraony ny poketrany izay misy ilay fahazoan-dalana mitondra fiarakodia. Nohazavainy ny zava-nitranga, ary nanontany ny asany ilay mpitandro filaminana. Namaly izy ary nilaza fa mpampianatra. Rehefa nanolotra ny taratasy kely milaza ny fandikan-dalana nataon'i John ilay mpitandro filaminana, dia nilaza taminy mba tsy hihevitra izany ho toy ny lamandy.

"Saram-pianarana ity" hoy izy. "Rehefa te hianatra zavatra iray ny olona, dia mandoa saram-pianarana. Ity no saram-pianarana mba hianaranao tsy hanadino ny fahazoan-dalana mitondra fiarakodia rehefa mamily fiara. Mirary soa ho an'ny tontolo andro, ry ingahy mpampianatra!"

Amin'ny maha-olombelona antsika, dia mety manadino ny zavatra izay tsy eo anoloantsika amin'ny fotoana rehetra isika. Hadinontsika ny mamerina miantso olona an-telefaonina, ny mamaly mailaka, ny manondraka ny voninkazo, ny mandefa karatra firarian-tsoa ho an'ny tsingerin-taona, sns. Ny fanadinoana ny zavatra ilaintsika ara-panahy kosa, dia misy vokany mampidi-doza kokoa noho ny fahazoana lamandy, indrindra noho izany misy fiantraikany amin'ny anjarantsika mandrakizay ara-bakiteny.

Andeha hianarantsika ny momba ny niampitan'ny Hebreo teo amin'ny ony Jordana; ho hitantsika amin'izany ny lesona azo tsoahina avy amin'ny fanandraman'izy ireo.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Oktobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal