Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.

Daty
Alahady 12 October 2025

NITA AN'I JORDANA

Vakio ny Jos. 3:1-5 sy ny Nom. 14:41-44. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny Isiraelita mba hanao fiomanana manokana ho amin'izay hitranga?

Sambany izao no iresahana momba ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny bokin'i Josoa. Talohan'io fotoana io, ao amin'ny fitantaran'ny TT, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina (Eks. 40:21) sy nandritra ny dia lavitra nataon'ny Isiraely niala teo Sinay (Nom. 10:33-36) ary tao anatin'ny ezaka tsy nahitam-bokatra nakana ny tany Kanana (Nom. 14:44) ihany no niresahana momba ny fiaran'ny fanekena. Izany no fanaka masina indrindra tao amin'ny tabernakely isiraelita, ary nahitana zavatra telo tao anatiny, izay samy naneho ny fifandraisana manokana nananan'ny Isiraely tamin'Andriamanitra: (1) ny vato fisaka nisy ny didy folo; (2) ny tehin'i Arona mpisoronabe; ary (3) ny vata iray izay nisy mana (Eks. 16:33; Heb. 9:4).

Ny fiaran'ny fanekena sy ireo fiomanana natao mialoha ny hitana an'i Jordana dia nampahatsiahy ny Isiraely fa tsy araka ny fombany manokana na ny fotoan'izy ireo no nidirany tao amin'ny tany Kanana. Tsy mahomby ny fakany ny tany raha tsy mandeha araka ny fomban'Andriamanitra sy ny Fotoany izy ireo. Andriamanitra no niditra tao Kanana teo alohan'ireo Isiraelita tahaka ny Mpitari-tafika iray, Izy Ilay voalaza fa nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany teo anelanelan'ireo kerobima roa teo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary nampifandraisina tamin'ny fandrosoan'ny fiaran'ny fanekena na ny fijanonan'izany ny Fihetsiny (Eks. 25:22; Nom. 7:89).

Ny teny nadika hoe "manamasina" (Jos. 3:5) na koa "manokana" dia manondro ny dingam-pidiovana tahaka izay narahin'ireo mpisorona mialoha ny hanaovany ny fanompoany tao amin'ny fitoerana masina (Eks. 28:41; Eks. 29:1) ary koa izay nataon'ireo vahoaka Isiraely talohan'ny nihaonany tamin'Andriamanitra tao Sinay (Eks. 19:10,14). Tao anatin’izany fanokanan-tena izany ny fahafoizana ny fahotana sy ny fanesorana izay noheverina ho tsy madio rehetra araka ny fombam-pivavahany. Hita ao amin'ny Nom. 11:18 koa ny baiko ho amin'ny fanokanan-tena tahaka izany, izay mifandraika amin'ny fahagagana efa hataon'Andriamanitra tsy ho ela. Notakina koa ny hanaovan'ny vahoaka fiomanana tahaka izany talohan'ny fiatrehana ady (Deo. 23:14). Nialoha ny hiadian'i Jehôvah ho an'ny Isiraely tao anatin'ny ady anankiray, dia tsy maintsy nampiseho ny fahatokiany Taminy izy ireo ary koa ny fitokiany Azy ho Mpitarika ny tafiny.

Ny fahagagana amin'ny fiampitana ny onin'i Jordana no hanaporofo amin'ny Isiraelita fa azo itokiana ny teny fikasan'i Jehôvah ny amin'ny handroahany ny mponina ao amin'io tany io. Izy ilay nanokatra lalana maina teo afovoan'i Jordana ihany no hanome azy ireo ny tany.

Tsy mampisaraka ny onin'i Jordana mandrakariva Andriamanitra. Tsy hita miharihary mandrakariva ny fidirany an-tsehatra. Araka ny hevitrao, ahoana no hanaovantsika fiomanana ara-panahy mba hiainantsika ny fanandraman'ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ho antsika ary koa mba hahatsapantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal