Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.

Daty
Alahady 12 October 2025

NITA AN'I JORDANA

Vakio ny Jos. 3:1-5 sy ny Nom. 14:41-44. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny Isiraelita mba hanao fiomanana manokana ho amin'izay hitranga?

Sambany izao no iresahana momba ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny bokin'i Josoa. Talohan'io fotoana io, ao amin'ny fitantaran'ny TT, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina (Eks. 40:21) sy nandritra ny dia lavitra nataon'ny Isiraely niala teo Sinay (Nom. 10:33-36) ary tao anatin'ny ezaka tsy nahitam-bokatra nakana ny tany Kanana (Nom. 14:44) ihany no niresahana momba ny fiaran'ny fanekena. Izany no fanaka masina indrindra tao amin'ny tabernakely isiraelita, ary nahitana zavatra telo tao anatiny, izay samy naneho ny fifandraisana manokana nananan'ny Isiraely tamin'Andriamanitra: (1) ny vato fisaka nisy ny didy folo; (2) ny tehin'i Arona mpisoronabe; ary (3) ny vata iray izay nisy mana (Eks. 16:33; Heb. 9:4).

Ny fiaran'ny fanekena sy ireo fiomanana natao mialoha ny hitana an'i Jordana dia nampahatsiahy ny Isiraely fa tsy araka ny fombany manokana na ny fotoan'izy ireo no nidirany tao amin'ny tany Kanana. Tsy mahomby ny fakany ny tany raha tsy mandeha araka ny fomban'Andriamanitra sy ny Fotoany izy ireo. Andriamanitra no niditra tao Kanana teo alohan'ireo Isiraelita tahaka ny Mpitari-tafika iray, Izy Ilay voalaza fa nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany teo anelanelan'ireo kerobima roa teo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary nampifandraisina tamin'ny fandrosoan'ny fiaran'ny fanekena na ny fijanonan'izany ny Fihetsiny (Eks. 25:22; Nom. 7:89).

Ny teny nadika hoe "manamasina" (Jos. 3:5) na koa "manokana" dia manondro ny dingam-pidiovana tahaka izay narahin'ireo mpisorona mialoha ny hanaovany ny fanompoany tao amin'ny fitoerana masina (Eks. 28:41; Eks. 29:1) ary koa izay nataon'ireo vahoaka Isiraely talohan'ny nihaonany tamin'Andriamanitra tao Sinay (Eks. 19:10,14). Tao anatin’izany fanokanan-tena izany ny fahafoizana ny fahotana sy ny fanesorana izay noheverina ho tsy madio rehetra araka ny fombam-pivavahany. Hita ao amin'ny Nom. 11:18 koa ny baiko ho amin'ny fanokanan-tena tahaka izany, izay mifandraika amin'ny fahagagana efa hataon'Andriamanitra tsy ho ela. Notakina koa ny hanaovan'ny vahoaka fiomanana tahaka izany talohan'ny fiatrehana ady (Deo. 23:14). Nialoha ny hiadian'i Jehôvah ho an'ny Isiraely tao anatin'ny ady anankiray, dia tsy maintsy nampiseho ny fahatokiany Taminy izy ireo ary koa ny fitokiany Azy ho Mpitarika ny tafiny.

Ny fahagagana amin'ny fiampitana ny onin'i Jordana no hanaporofo amin'ny Isiraelita fa azo itokiana ny teny fikasan'i Jehôvah ny amin'ny handroahany ny mponina ao amin'io tany io. Izy ilay nanokatra lalana maina teo afovoan'i Jordana ihany no hanome azy ireo ny tany.

Tsy mampisaraka ny onin'i Jordana mandrakariva Andriamanitra. Tsy hita miharihary mandrakariva ny fidirany an-tsehatra. Araka ny hevitrao, ahoana no hanaovantsika fiomanana ara-panahy mba hiainantsika ny fanandraman'ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ho antsika ary koa mba hahatsapantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal