Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana

Daty
Alarobia 15 October 2025

NY FANADIΝΟΑΝΑ

Vakio ny Jos. 4:20-24 ary ampitahao amin'ireto andalan-tSoratra Masina manaraka ireto: Mpits. 3:7: Mpits. 8:34: Sal. 78:11; Deo. 8:2,18; Sal. 45:17. Nahoana no manan-danja tokoa ny fahatsiarovana ireo zava-dehibe nataon'i Jehôvah ?

Mariho ny fiovana eo amin'ny mpisolo tena ampiasaina ao amin'ny Jos. 4:23. Voalaza fa nataon'Andriamanitra maina ny onin'i Jordana teo "anoloanareo", izany hoe teo anoloan'ireo Isiraelita izay vao avy nita an'i Jordana. Etsy ankilany indray, dia voalaza ao fa nataon'Andriamanitra maina teo "anoloantsika ny Ranomasina Mena. Ny "isika" eto dia ireo izay teo hatramiin'ny taranaka voalohany indrindra sy nandalo tamin'ny fanandraman'ny fanafahana. Mitovy ny lanjan'ny toe-javatra roa niainan'ireo taranaka roa samy hafa ireo, izay nanome fahafahana ho an'ilay taranaka faharoa hahatakatra koa ny dikan'ny fiampitana ny onin'i Jordana, vokatry ny fijoroan'ny ray aman-dreniny ho vavolombelona.

Heverintsika ho zavatra mpahazo ny olombelona rehetra, ankapobeny, ny fanadinoana. Kanefa, ny fanadinoana eo amin'ny lafiny ara-panahy dia mety hiteraka vokany ratsy sy mampidi-doza kokoa.

Na dia ankehitriny aza, raha tiantsika ny hitahiry ny maha-isika antsika, vahoaka izay manana fiantsoana sy iraka manokana, dia tokony hamorona fomba samihafa hamelombelomana ny fitadidiantsika ara-panahy isika (na ny fiangonana na ny tsirairay) mba hihazonantsika ao an-tsaina izay niandohantsika sy ny maha-isika antsika ary ny antony maha-eto antsika.

Vakio ny 1 Kôr. 11:24,25 sy ny Jao. 14:26. Nahoana isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny zavatra nataon'i Kristy ho antsika? Manan-danja ve ny zavatra iray raha toa tsy tsaroantsika?

Takatr'i Ellen G. White tsara fa raha tsy misaintsaina mandrakariva ny asan'Andriamanitra tamin'ny lasa sy ny fanambaran'ny Teniny izay mitsilo ny lalantsika isika, dia azo antoka fa ho verintsika amin'ny hoavy ny fahazotoana hanatanteraka ny iraka nampanaovina antsika: "Tsy misy na inona na inona atahorantsika ny amin'ny hoavy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitarihan'ny Tompo antsika, sy ny fampianarany teo amin'ny tantarantsika hatrizay lasa izay." -LS, t. 196.

Na dia zava-dehibe aza ny hahatsiarovana ny lasa sy ny fomba nidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny flainanao, nahoana no Ilainao ny hanana fanandramana isan'andro momba ny fitiavany sy ny fanatrehany ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal