Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.

Daty
Alatsinainy 19 January 2026

Saintsaino bebe kokoa ny fanasongadinan'i Paoly ny firaisana ao amin'ny Fil. 2:2, izay ilazany zavatra iray ihany amin'ny fomba efatra samy hafa. Mariho koa ny fifantohany amin'ny saina sy ny hevitra ary ny fo. Nanana fironana hifantoka tamin'ny fiseho ivelany ireo mpitondra fivavahana, fa i Jesôsy kosa nifantoka tamin'ny fisainan'ny olona sy ny fihetsehampony. Ilay tovotahy mpanapaka, ohatra, dia nilaza fa efa nitandrina ny didy mandrakariva. Kanefa nizaha toetra ny fifikirany tamin'ny zavatry ny tany ny filazan'i Jesôsy taminy mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanome izany ho an'ny mahantra ary hanaraka Azy. Nilaza koa i Jesosy fa izay avy amin'ny fo (na avy amin'ny saina) no mahaloto ny olona: "Fa avy amin'ny fo no ivoahan`ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy." - Mat. 15:19, ary "avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava." - Mat. 12:34. 

Vakio ny Fil. 2:3,4. Inona no fepetra mazava tokony horaisina, araka ny fampirisihan'i Paoly, mba hisian'ny firaisana eo anivon'ny fiangonana?

Maneho sarin'ny fanetren-tena ny tenin'i Paoly eto: fanetren-tena, fanaovana ny namana ho mihoatra noho ny tena, fiheverana ny an'ny hafa fa tsy ny an'ny tena ihany. Mora kokoa ny miteny izany noho ny manatanteraka, sa tsy izany? Kanefa ireo fitsipika ireo dia manan-danja ka tokony hohazonina ao an-tsaina eo amin'ny fifandraisana rehetra ifandraisantsika amin'ny hafa. Mandritra ny fifampiresahana amin'ny hafa, dia matetika isika no manana fironana hifantoka amin'ny valinteny hasetrintsika raha tokony hihaino mba hahatakarana izay lazain'ny ankilany ary koa hiezaka hijery ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny. Avy amin'ny tsy fifankahazoan-kevitra matetika no ahaterahan'ny ady, kanefa ny fahaiza-mihaino ihany dia azo nisorohana izany. Mety tsy hiombon-kevitra amin'izao isika, nefa ny fihainoana sy ny fitadiavana hahatakatra ny fomba fijerin'ny ankilany no dingana voalohany mankamin'ny fifandraisana tsara sy ny fifampitokisana.

Miresaka momba "ny firaisana avy amin'ny Fanahy' (Efes. 4:3, izay miteraka ny "fihavanana, izay fatorana mampiray' (Efes. 4:3, DIEM) i Paoly. Raha misy fifandonana ao anatininy fiangonana, dia hain'ny Fanahy Masina ny mampitony ny fisamboaravoara ka mitondra antsika ho amin'ny firaisana izay miteraka firindrana. Ao amin'io toko io ihany no iresahan'i Paoly momba ny "firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra." - Efes. 4:13. Mifandray ireo zavatra roa ireo. Zava-dehibe ho an'ny fisian'ny firaisana eo anivontsika ny fananana finoana iray ihany sy fahatakarana iray ihany ny Soratra Masina izay teraka avy amin'ny fahalalana an'i Kristy sy ny fampianarany.

Fahafatesan'ny "izaho" manao ahoana no hahatonga antsika hanao ny hafa ho mihoatra noho ny tenantsika? Ahoana no hianarantsika hanao izany? Ho samy hafa manao ahoana ny fifandraisantsika amin'ny hafa raha toy izany ny fomba fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal