Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.

Daty
Alakamisy 24 July 2025

Vakio ny Eks. 9:13--10:29. Nahomby tamin'ny fanovana ny hevitr'l Farao ve Ireo loza ireo?

Nout, ilay andriamani-bavin'ny lanitra sy ny habakabaka no nambaran'ny Egyptianina fa nifehy izay zava-mitranga ety ambanin'ny lanitra sy ambonin'ny tany. Osiris no andriamanitry ny vokatra sy ny famokarana. Ampifandraisina amin'ny fitsaran'Andriamanitra matetika ny havandra ao amin'ny Baiboly (Isa. 28:2,17; Ezek. 13:11-13). Tao anatin'izany loza izany. dia voaro ireo izay nanafina ny fananany tao amin'ny fialofana azo antoka (Eks. 9:20, 21). Voazaha toetra izao ny rehetra: hino ny Tenin'Andriamanitra ve izy ireo ka hanao araka izany sa tsia?

Nambaran Andriamanitra fa ny mba hahalalan'izao rehetra izao Azy no tanjon'ny famelany an'i Farao ho velona (Eks. 9:16). Niaiky ilay mpanjakan'i Egypta fa nanota, saingy niova indray ny heviny taorian'izany.

Nantsoina hoe Seth ny andriamanitra egyptianin'ny tafio-drivotra sy ny ady ary ny fikorontanana. Izy sy Isis no noheverin'ny Egyptianina ho andriamanitry ny fambolena. I Shou no andriamanitry ny rivotra. I Serapis kosa no naneho ny fiandrianan'ny andriarmanitra, ny fahavanonana anaka, ny fanasitranana ary ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Tsy nisy na dia iray aza tamin'ireo andriamanitry ny Egyptianina ireo afaka nampitsahatra ny fitsaran'Andriamanitra (Eks. 10:4-20), satria tsinontsinona ny sampy (Isa, 44:9, 10, 12-17).

Nangataka an'i Farao ireo mpanompony mba handefa ny vahoaka Isiraely saingy nolaviny indray izany. Nanao marimaritra iraisana izy saingy nolavin'i Mosesy izany satna ampahany manan-danja sy tsy azo sarahina amin'ny fiankohofana sy ny mpianakavin'ny finoana ny zaza amam-behivavy.

Farany, i Ra no andriamani-dehiben'ny Egyptianina, izy no andriamanitra masoandro. I Thoth kosa no andriamanitry ny volana. Samy tsy nahay nanome hazavana izy ireo. Niezaka niady varotra indray i Farao, saingy tsy nahomby izany. Nanerana an'i Egypta nandritra ny hateloana ny haizina, fa nazava kosa teo amin'izay nitoeran'ny Isiraelita. Fiavahana lehibe sy nanaitra tokoa izany.

Na toy ny ahoana aza anefa ny halehiben'ny loza nihatra tamin'ny fireneny dia nanapa-kevitra i Farao ny hanohitra ary tsy hilefitra. Na dia tsy fantatsika aza ny tana antony nanosika azy tao am-pony, dia nisy fotoana nahitana fa avonavona tsotra izao izany. Na toy ny ahoana ny fiezinezin'ny porofo, na dia niharihary mazava aza ny zava-nitranga (na ireo mpanompony aza nanao hoe: "Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehôvah Andriamaniny, tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?" - Eks. 10:7), ary na dia navelatra teo anoloany aza ny safidy tsara tokony hataony - dia mbola nanda tsy hilefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra ihany i Farao, taorian'ny fihambahambana kely, ka tsy nalefany ny vahoaka.

Ohatra miezinezina tokoa izany, izay maneho izao teny izao: "Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana." - Ohab. 16:18.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal