Vakio ny Mat. 24:23,24. Inona no fampitandremana omen'i Jesosy antsika eto? Nahoana no tokony horaisintsika am-po sy amim-pahamatorana izany fampitandremana izany?
Tsy mbola nanao fanambarana mazava mihoatra noho izao i Jesosy: "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." - Mat. 24:24.
Azo inoana fa handresy lahatra tokoa ny fitaka ampitandreman'i Jesosy antsika eto, satria miaraka amin'ny "famantarana lehibe sy fahagagana" izany. Tsy voatery ho porofon'ny fiasan'Andriamanitra velively ny tranga vokatry ny hery mihoatra noho ny an'ny olombelona, na mandresy lahatra toy inona aza ny fisehony. Tsy olombelona ny fahavalontsika. Mampitandrina antsika i Paoly: "Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra." - Efes. 6:12. Ary miasa amin'ny alalan'ny mpaminany sandoka ireo fanahy ratsy ireo.
Raha ny marina dia tsy zava-baovao ny mpaminany sandoka. Resahina ao amin'ny TV ny momba ireo mpaminany sandoka tamin'ny andron'ny TT (Lio. 6:26). Ampitahaina amin'ny "amboadia" manao "fitafian'ny ondry" ny mpaminany sandoka ao amin'ny TV - Mat. 7:15, ary ambara amintsika hoe: "Ny voany no hahafantaranareo azy" - Mat. 7:16.
Ny mamitaka no tena asan'izy ireo (Mat. 7:17-20). I Jesosy mihitsy no nilaza fa "hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro" - Mat. 24:11, ary "raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny" - Mat. 24:24 (jereo koa ny Mar. 13:22, 1 Jao. 4:1).
Araka ny Efes. 6:10-18, ahoana no ahafahantsika miaro tena mba tsy ho voafitaka?
Ny fiainana amin'ny finoana, ny fitafiana ny "rariny ho fiarovan-tratra", ny fisikinana ny "fahamarinana", miaraka amin'ny fileferana eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny vavaka, ary ny fiorenana mafy amin'ny Teniny — ireo no fomba ahazoantsika miaro ny tenantsika amin'izay rehetra manao izay hahavery antsika ara-panahy sy ara-teolojia.
Mitafy ny fiadiana rehetra ve ianao? Inona no azonao atao mba hahatonga anao ho voaro kokoa manoloana ireo fitaka mameno izao tontolo izao?