Inona no lazain'ny 1 Kôr. 14:3, Efes. 4:11-13, ary ny Apôk. 22:6 amintsika momba ny anjara asan'ireo mpaminany ao amin'ny TV?
Ireo andininy ireo, na dia manampy ny fahatakarantsika aza, dia tsy ahitantsika amin'ny fahafenoany ny asa rehetra nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TV. Ny ankamaroan'ny zavatra nataon'izy ireo kosa dia maneho taratra izay efa nataon'ireo mpaminany ao amin'ny TT ihany, ka mahatonga fitohizana eo amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana.
Tanisaina miaraka amin'ireo fanomezam-pahasoavana hafa ny faminaniana ao amin'ny 1 Kôr. 12:10. Ao amin'ilay sary an'ohatra momba ny tenan'i Kristy (1 Kôr. 12:27,28), ny mpaminany dia tononina aorian'ny apostoly, izay nandray fanambarana avy amin'Andriamanitra koa. Araka ny 1 Kôr. 14:3: "izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana."
Ny Efes. 4:11-13 dia mitanisa fanomezam-pahasoavana mitovitovy amin'izany koa, tahaka ny ao amin'ny 1 Kôr. 12. Tononina miaraka amin'ny Apôstôly, ny evanjelista, ny mpiandry ary ny mpampianatra, ny mpaminany (Efes. 4:11). Ny antom-pisian'ireo olona ireo dia "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:12,13. Araka ny hita eto sy any an-kafa dia i Jesôsy no ivon'ny hafatr'izy ireo.
Miresaka momba ny mpaminany roa lahy, Joda sy Silasy (tsy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly izy ireo), ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly, izay "namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy" - Asa. 15:32. Marina fa tsy maintsy manao fampitandremana, indraindray hentitra, ny mpaminany, nefa — arakaraka ny toe-javatra — dia manao teny fampaherezana koa izy ireo, indrindra ao anatin'ny fitsapana, teny izay azo antoka fa nankasitrahan'ireo izay nila fatratra ny nandre izany, mbamin'ny fanantenana sy ny teny fikasana voarakitra ao anatiny.
Voaresaka ao anatin'ny tontolon-kevitry ny faminaniana koa ny fampirisihana (1 Kôr. 14:31). Loharanon'ny faherezana sy fanantenana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy ny fanenjehana.
"Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany" no anoritsoritana an'i Jesôsy ao amin'ny Apôk. 22:6, ary "mahatoky sady marina" ny teniny. Mazava loatra, na inona na inona avy amin'ny mpanompon'Andriamanitra, rehefa miteny amin'ny anaran'Andriamanitra izy ireo, dia ho "mahatoky sady marina" koa izany. Ao anatin'ity tontolo izay tsy misy na inona na inona firy azo itokiana ity, dia mahazo matoky tokoa izay lazain'ireo mpaminanin'i Jehôvah isika, indrindra izay voalaza ao amin'ny Teniny, izay fahefana faratampony ho antsika.