Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Andriamanitra saro-piaro

Daty
Alarobia 22 January 2025

"Andriamanitra be fiantrana" ilay Andriamanitry ny Baiboly. Antsoina hoe el rahum Andriamanitra amin'ny teny Hebreo (Deo. 4:31). Midika hoe "Andriamanitra" ny teny hoe "el", ary ny rahum dia teny iray avy amin'ny fototeny hoenti-milaza ny fiantrana (raham). Tsy antsoina hoe Andriamanitra be fiantrana fotsiny anefa Izy fa Andriamanitra saro-piaro (el qana) koa. Toy izao no ilazan'ny Deo. 4:24 izany: "Fa Jehôvah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro [el qana"] Izy." (Jereo ny Deo. 4:24; Deo. 6:15; Jos. 24:19; Nah. 1:2).

Ambaran'ny 1 Kôr. 13:4 fa "tsy mlalona" ("tsy saro-piaro" dikanteny RSV) nyfitiavana. Ahoana àry no ilazana fa "Andriamanitra saro-piaro" i Jehôvah? Vakio ny 2 Kōr. 11:2 ary diniho ny tsy fahatokian'ny vahoakan'Andriamanitra manerana ireo tantaran'ny Balboly (Jereo ohatra ny Sal. 78:58). Ahoana no anampian’ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra ny "fahasaro- piaron" Andriamanitra?

Tsy araka ny tokony ho izy matetika no ahatakaran'ny olona ny "fahasaro-piaron’Andriamanitra " . Raha lazaina ho vady saro-piaro ny lehilahy na ny vehivavy iray dia tsy azo raisina ho fandokafana velively izany. Matetika ny teny hoe "fahasaro-piaro" no manana heviny miiba amin'ny tenim-pirenena maro. Tsy manana heviny miiba anefa ny fahasaro-piaron Andriamanitra resahina ao amin'ny Baiboly. Fihetsehampo ara-drarin'ny lehilahy tia ny vadiny ka maniry hanana fifandraisana anjakan'ny fahatokiana aminy izany.

Misy ny karazam-pahasaro-piaro mifanohitra amin'ny fitiavana (1 Kôr. 13:4), nefa misy koa ny "fahasaro-piaro" tsara sy ara-drariny, araka ny 2 Kôr . 11:2. Tondroin'i Paoly ho "fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra" izany (2 Kôr. 11:2). Ny fahasaro-piaron'Andriamanitra no hany ara-drariny mandrakariva ary koa azo lazaina ho fitiavana miredareda ny vahoakany.

Ny fitiavana lalina itiavan'Andriamanitra ny olony no mahatonga ny fahasaro- piarony (qana'). Maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana miaraka amin'ny vahoakany Andriamanitra; Izy irery no tiany ho Andriamanitr'izy ireo. Matetika anefa Izy no aseho tahaka ny vady nohamavoina ary tsy mba novaliana ny fitiavana nasehony (jereo ny Hôs. 1-3; Jer. 2:2; Jer. 3:1-12). Araka izany, tsy zava-tsy misy antony ny "fahasaro-piaron’Andriamanitra" fa setrin'ny tsy fahatokian'ny olony sy ny faharatsian'izy ireo mandrakariva. Tsy hita ao amin'ny fahasaro-piaron’Andriamanitra ny hevitra miiban'ny fahasaro-piaron'olombelona. Tsy mba misy fialonana ao amin'izany fa fihetsehampo ara-drariny izay maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana amin'ny vahoakany ary ny hahasoa azy ireo no tanjon'izany.

Ahoana no hianarantsika haneho izany karazana "fahasaro-piaro" tsara izany amin'ny hafa, tahaka izay asehon'Andriamanitra amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal