Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Miantra

Daty
Alakamisy 30 January 2025

Na zava-mahatahotra tokoa aza ny fahatezeran'Andriamanitra dia tsy haratsian-toetra na tsy fitiavana izany tsy akory. Ny mifanohitra amin'izany aza no hita ao amin'ny TT sy ny TV; tezitra Andriamanitra noho ny fitiavany. Ny fifanoherana lehibe eo amin'ny faharatsiana mamohehatra sy ny fahatsaran'Andriamanitra madio sy be voninahitra no mahatonga izany.

Araka izany, ny fitiavana no tena lehibe amin'Andriamanitra fa tsy ny fahatezerana. Tsy misy fahatezerana ao amin'ny toerana tsy misy faharatsiana na tsy fahamarinana. Amin'ny farany, ny fihetsika maneho fitiavana lehibe indrindra ataon'Andriamanitra amin'ny famongorana tanteraka ny faharatsiana, dia hamarana hatreo koa ny fahatezerana. Tsy hiverina hisy intsony mantsy ny ratsy na ny tsy fahamarinana. Ny fahasambarana  sy ny fahamarinana ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana tonga lafatra mantsy no hanjaka mandrakizay doria. Tsy hisy intsony ny fahatezeran'Andriamanitra satria tsy misy ilana izany intsony. Mahafinaritra re izany!

Raisin'ny olona sasany ho fisehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra ny valifaty ataony amin'ireo izay nanao ratsy taminy. Vakio ny Deo. 32:35, Ohab. 20:22, Ohab. 24:29, Rôm. 12:17-21, sy ny Heb. 10:30. Inona ny fampitandremana omen'ireo andininy ireo momba ny valifaty ataon'ny olombelona?

Manana zo hanao fitsarana Andriamanitra araka ny Soratra Masina, ary isaky ny manao izany Izy dia amim-pahamarinana tanteraka mandrakariva no anaovany izany. Mazava ny voalaza ao amin'ny TT sy ny TV fa an'Andriamanitra ny famaliana. Hoy i Paoly: "Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: 'Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehôvah '." - Rôm. 12:19 (nalaina avy amin'ny Deo. 32:35).

Hampihatra ny fitsarany amin'ny ratsy sy ny tsy marina Andriamanitra amin'ny farany, kanefa nanome vahaolana ho an'izay rehetra mino Azy i Kristy. I Jesôsy tokoa mantsy no "Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy"-1 Tes. 1:10 (ampitahao amin'ny Rôm. 5:8,9). Mifanaraka tsara amin'ny drafitr'Andriamanitra izany: "Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - 1 Tes. 5:9. Misy tokoa ny fahatezeran'Andriamanitra, saingy noho ny fahasoavan'i Kristy dia afaka amin'izany izay rehetra mino Azy.

Sady manandratra ny fahamarinana ny fanavotana nataon'i Kristy no manafaka antsika amin'ny fahatezerana; amin'ny fomba ahoana? Raha tsapanao fa nafahana ianao na dia olona tsy tanteraka sy be fahadisoana aza, tsy mainka ve tokony halemy fanahy amin'ny hafa ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal