Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 01 November 2024

Vakio ny "Teo amin'ny fantsakan'i Jakôba", toko faha-19 ao amin'ny IFM.

"Raha vantany vao nahita ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana dia nitondra Azy teo amin'ny hafa. Nasehony tamin'izay fa misiônera mahomby noho ireo mpianatr'i Jesôsy izy. Tsy nahita na inona na inona tao Samaria izay mampiseho saha mampirisika hiasa ny mpianatra. Nifantoka tamin'ny asa lehibe hatao ho amin'ny hoavy ny sainy. Tsy hitany fa nanodidina azy akaiky dia nisy vokatra tokony hangonina. Nefa tamin'ny alalan'ilay vehivavy izay nohamavoiny dia tanàna iray manontolo no voatarika hihaino ny Mpamonjy. Nentin-dravehivavy avy hatrany tamin'ny mpiray tanàna taminy ny fahazavana.

lo vehivavy io dia mampiseho ny vokatry ny finoana an'i Kristy, dia finoana tsotra, ary avy hatrany dia miasa amim-pahendrena. Ny tena mpianatra marina rehetra dia teraka ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra mba ho misiônera. Izay misotro ny rano velona dia manjary loharanon'aina. Manjary mpanome ny mpandray. Ny fahasoavan'i Kristy ao amin'ny fanahy dia tahaka ny loharano any an'efitra, izay miboiboika mba hampangatsiatsiaka ny rehetra sy hahatonga ireo izay efa ho faty hazoto hisotro ny ranon'aina." - IFM, t. 144, ed. 2023. 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Ivereno ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ny fanontaniana farany tamin'ny Alahady. Aoka ianao haneho fahitsiana manoloana izany. Inona avy ireo fady sy hevitra mibahana mialoha ao amin'ny kolontsaina misy anao, izay mety hanembantsembana ny fijoroanao ho vavolombelona amin'ny hafa?

2. Araka ny hevitrao, nahoana i Jesôsy no noraisin'ireo Samaritana tsara nefa nifanohitra tamin'izany no nataon'ireo olony?

3. Raiso ny toeran'ilay vehivavy Samaritana. Misy olon-tsy fantatra tonga sy mampahafantatra azy fa fantany ny tsiambaratelon-dravehivavy miafina indrindra. Ahoana ary no nahalalan'ny olona, indrindra olona tsy fantany, izany zavatra izany? Tsy nahagaga raha toa nahatalanjona azy i Jesôsy. Inona no tokony hambaran'io tantara io amintsika momba ny fahafantaran'Andriamanitra ny momba antsika rehetra, eny fa na ny tsiambaratelo miafina indrindra izay tsy tiantsika ho fantatry ny olona na iza na iza aza? Na eo aza izany, inona no ambaran'izay nataony tamin'ilay vehivavy mikasika ny fomba tiany hatao amintsika, eny fa na dia fantany aza ny tsiambaratelontsika?

4. Inona tamin'ireo lohahevitra resahin'ny filazantsaran'i Jaona izay nianarantsika hatreto no hita teo amin'ny asa nataon'i Jesôsy tamin'ilay vehivavy teo am-pantsakana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal