Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 02 May 2025

Vakio ny PM, toko 10: "Ny tilikambon'i Babela".

"Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany' Apôk. 21:1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan'ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin'ny fahotana."

"Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra: hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. Eo amin'ny lohany noratraina, eo amin'ny lanivoany, eo amin'ny tanany aman-tongony, ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon'ny fahotana. Hoy ny mpaminany raha mibanjina an'i Kristy ao amin'ny voninahiny izy: 'Misy famirapiratana toy ny mazava, ary misy tana-masoandro avy eo amin'ny tanany; ary ao no fieren'ny heriny' Hab. 3:4. Amin'io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan'ny rà nampihavana ny olombelona tamin'Andriamanitra no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy, ao no 'fieren'ny heriny'. 'Mahery ka mahavonjy' Izy amin'ny alalan'ny soron'ny fanavotana, noho izany dia manan-kery hampihatra famaliana amin'ireo izay nanamavo ny famindrampon'Andriamanitra Izy. Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr'i Kalvary." - HM, t. 701.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Amin'ny farany, na inona na inona zava-bita eto an-tany, na lehibe manao ahoana, na mahatalanjona sy be voninahitra manao ahoana, dia ho tonga vovoka sy lavenona izany, ary ho foana mandrakizay. Anisan'izany ny zava-bitanao rehetra eto an-tany, na tamin'ny lasa na ankehitriny, na lehibe sy miezinezina toy inona aza izany. Nahoana no zava-dehibe mandrakariva ny tsy hanadinoantsika izany? Ahoana no tokony hanampian'io fomba fijery io anao hametraka ny laharam-pahamehanao araka ny tokony ho izy?

2. Diniho tsara ilay bibidia ao amin'ny Apôk. 13:1-10, izay niakatra avy tamin'ny ranomasina. Amin'ny fomba ahoana no anehoan'io bibidia io ny vokatra ara-dalanan'ny toe-tsaina tao Babela? Mampiseho mazava ny fitambaran'ny "firenen'olombelona" rehetra, manomboka amin'i Babilona ka hatramin'ilay tandroka kely, io biby io. Inona avy ireo toetra mampiavaka ny fanjakana tsirairay izay mbola hitanao mandraka ankehitriny? Amin'ny fomba ahoana no mbola anehoan'izao tontolo izao ny foto-kevitr'i Babilona na Rôma, ohatra?

3. Amin'ny maha-Advantista antsika dia tokony hanaraka ny Tompo isika, kanefa koa tokony hankatò ireo lalàn'ny fitondram-panjakana mifehy ny firenena misy antsika; ahoana no hahaizantsika mandanjalanja izany? Inona no mitranga rehefa mahatonga ny tsy fankatoavana ny andaniny ny fankatoavana ny ankilany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal