Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.

Daty
Alarobia 30 July 2025

Hazavain'ny mpanao salamo ny fomba ahafahan'ny zanatsika mahafantatra an'Andriamanitra sy ny fitiavany: "Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy, sy hanambara ny asanao lehibe." -Sal. 145:4. Natao hifampiresaka momba an'Andriamanitra sy ny asa mahagaga nataony, ary ny ny fampianarany ny fianakaviana ana tsirairay mba hampitana ny fahalalana ara-Baiboly amin'ny taranaka manaraka.

Vakio ny Eks. 12:24-28. Inona no hevi-dehibe resahina eto?

Ny ray aman-dreny no mpampianatra voalohany tao Isiraely ary natao hanambara ny tantaran'ny Eksodosy (ny nanafahan'Andriamanitra azy tamin'ny fanandevozana tao Egypta) amin'ny zanany izy ireo. Tsy natao hotantarainy toy ny zava-nitranga fahiny teo amin'ny tantara fotsiny izany, fa natao hasehony toy ny fanandramana niainan'izy ireo manokana, na dia efa ela aza no nitrangan'izany. Mandritra io fankalazana io dia mandray ny toeran'ireo razambeny izy ireo, ary velomina sy iainana indray ny tantara. Hilaza ny raim-pianakaviana hoe: "Tany Egypta aho, hitako ny faharesen'ireo andriamanitra egyptianina sy ny loza tany Egypta, ary nafahan'Andriamanitra aho." Asongadina indroa ao amin'ny bokin'ny Eksodosy ny fomba tokony hamalian'ny ray aman-dreny ny fanontanian'ny zanany momba ny Paska (jereo ny Deo. 6:6-8 sy ny Eks. 13:14-16).

Tsara ny manamarika fa mbola tao Egypta ny Isiraelita rehefa nasaina nankalaza ny fanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina. Araka izany, ny fankalazana rehetra dia fanehoam-pinoana. Rehefa nahazo ny toromarika izy ireo, dia "niondrika ny olona ka nivavaka" tamin'ny Mpanavotra azy Eks. 12:27, ary avy eo narahiny ny toromarika momba ny Paska.

Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia dia ampahatsiahivina ny Isiraelita mba hilaza ny tantara ho toy ny toe-javatra nandalovan'ny tenany manokana. Mariho ny fanehoana fanandramana iraisana ao amin'ity fitantarana ity, ary koa ny fanantitranterana ny fanandramana iainana ankehitriny: "Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, día nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. Dia nitaraina tamin'l Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehôvah antsika nivoaka avy tany Egypta, dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. "- Deo. 26:5-9.

Ankoatra izany, rehefa mamerina mitantara ny tantaran'ny Paska (na tranga hafa ao amin'ny tantara masina) amin'ny zanany ny ray aman-dreny, dia manampy betsaka azy ireo izany tsy hanadino fa hahatsiaro mandrakariva izay nataon'Andriamanitra ho azy sy ho an'ny vahoaka. Na ho an'ny mpitantara na ho an'ny mpihaino, dia nahasoa io fitantarana io.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal