Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Ny fitiavana sy ny rariny.

Daty
Alahady 02 February 2025

Miara-dalana ny fitiavana sy ny rariny manerana ny Soratra Masina manontolo. Mitaky ny rariny ny tena fitiavana marina, ary tsy misy fomba ahafahana mampanjaka sy mampihatra ny rariny raha tsy amin'ny fitiavana ihany. Tsy mahazatra antsika ny mieritreritra ireo zavatra roa ireo miara-dalana satria nosimban'ny taranak’olombelona ny hevitry ny fitiavana sy ny rariny.

Vakio ny Sal. 33:5; Isa. 61:8; Jer. 9:24; Sal. 85:10 ary ny Sal. 89:14. Ahoana no anampian'ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra fa mihevitra fatratra momba ny rariny Andriamanitra?

Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa tia fahamarinana Andriamanitra (Sal. 33:5; Isa. 61:8). Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny rariny ao amin'ny Soratra Masina. Miara-dalana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary mahasarotiny Azy tokoa ny hampiharana ny fahamarinana sy ny rariny eto amin'ity tontolo ity.

Antony mitombina tsara, araka izany, no niampangan'ny mpaminany mandrakariva ireo toe-javatra rehetra tsy ara-drariny, anisan'izany ny lalana tsy marina, ny mizana mandainga ary ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny mahantra sy ny mpitondratena ary ireo marefo. Manohy hatrany ny fanaovan-dratsy sy ny tsy rariny samihafa ny olona, fa Andriamanitra kosa "manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany" mandrakariva (Jer. 9:23). Noho izany, hita manerana ny Soratra Masina ireo mahatoky amin'Andriamanitra izay miandrandra fatratra ny fitsarany tahaka ny zavatra tsara satria mitondra famaizana ho an'ireo mpanao ratsy sy mpampahory izany, ary mitondra rariny sy fanafahana ho an'ireo iharan'ny tsy fahamarinana sy ny fampahoriana kosa.

Raha ny marina, dia ny fahamarinana sy ny rariny mihitsy no fanorenan'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra. Marina sy mahitsy ny fitondran'Andriamanitra feno fitiavana, samy hafa tanteraka amin'ireo fitondram-panjakana feno kolikoly eto amin'izao tontolo izao, izay matetika no mampanjaka ny tsy rariny ho an'ny fahefany sy ny tombontsoany manokana. "Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana" ao amin'Andriamanitra "(Sal. 85:10).

Ambaran Andriamanitra mazava izay andrasany amintsika. "Ry olombelona, efa naseho anao ízay tsara sy izay ilain'i Jehôvah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8. Raha misaintsaina ny amin'ny toetran'Andriamanitra isika, dia ny fitiavana sy ny rariny ary ny famindrampo no tokony ho ivon'izany.

Inona avy ireo ohatra maneho ny fanimban'ny olombelona ny hevitry ny rariny, eny fa na amin'izao andro izao aza? Ahoana moa no tsy hitalahoantsika ny fahamarinanAndriamanitra tonga lafatra mba ho tonga indray andro any?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal