Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Tsara sy marina tanteraka Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 03 February 2025

Tsy hoe tia ny rariny ary miantso ny olona ho tia sy hampihatra izany fotsiny Andriamanitra fa asehony amin'ny fomba tonga lafatra sy mafy orina mihitsy izany toetra izany. Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa feno sy tanteraka ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny fahatokiany, ary ny fahamarinany sy ny fitiavany. Miasa araka ny fitiavana sy ny marina ary ny rariny mandrakariva Izy, ary tsy mba manao ratsy na oviana na oviana.

Vakio ny Deo. 32:4 sy ny Sal. 92:15. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahamarinany?

Ambaran'ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ireo andalan-tSoratra Masina hafa fa mahitsy sy be fitiavana Andriamanitra - "tsy misy tsiny" Izy (Sal. 92:15, ampitahao amin'ny Sal. 25:8; Sal. 129:4). "Tsy manao izay tsy marina Izy; isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany; fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra." - Zef. 3:5. Mariho ny fahasamihafana miharihary eo amin'ny toetran'Andriamanitra sy ny toetran'ireo tsy marina.

Fantatr’Andriamanitra izay mahasoa indrindra ny olona tsirairay ary izany no iriny ho azy ireo, tsy mitsaha-miasa Izy mba hanomezana ny tsara indrindra ho an'ny rehetra.

Vakio ny Sal. 9:7,8 sy ny Sal. 145:9-17. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba an'Andriamanitra?

"Mpitsara marina" ilay Andriamanitry ny Baiboly (Sal. 7:11), ary tsy misy faharatsiana mitoetra eo Aminy (Sal. 5:4). Izao no ampianarin'ny 1 Jao. 1:5: "Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao Aminy." Tsy hoe tonga lafatra fotsiny ny fahatsaran’Andriamanitra fa araka ny Jak. 1:13, dia "tsy azon'ny ratsy alaim-panahy Izy " (ampitahao amin'ny Hab. 1:13).

Mifandray ety dia ety ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny voninahiny ao anatin'izany rehetra izany. Maro ny olona manindrahindra fatratra ny fahefana; Andriamanitra kosa na dia mahefa ny zavatra rehetra aza dia amin'ny fomba marina sy be fitiavana ihany no ampiasany izany fahefany izany. Tsy kisendrasendra ny namaliany hoe: "Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao" rehefa nangataka taminy i Mosesy hoe: "Mba ampahitao ny voninahitrao aho." - Eks. 33:18,19.

Nahoana moa ilay Andriamanitra tsara tahaka izany no mamela ny hisian'ny fahara-tsiana be tahaka izay hita eto amin'izao tontolo izao? Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valinteninao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal