Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 08 November 2024

Vakio ny ny fankatoavana IFM, toko 41: "Ny zava-tsarotra tany - Galilia", sy ny toko 68: "Tao amin'ny kianja ivelany".

"Hankany amin'iza moa izahay?' Andevon'ny fombafomba ivelany ny mpampianatr'Isiraely. Nifanditra mandrakariva ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ny mandao an'i Jesôsy dia mahatonga azy ho latsaka ao anivon'ireo fatra-panaraka ny fombafombam-pivavahana, sy eo amin'ny olona be hambom-po tsy nitady afa-tsy ny voninahitry ny tenany. Nahita fiadanana sy fifaliana betsaka ny mpianatra hatramin'izay nanekeny an'i Kristy ho ambony indrindra tao amin'ny fiainany tany aloha rehetra. Ahoana no ahazoanay miverina any amin'ireo izay nanamavo sy nanenjika Ilay Sakaizan'ny mpanota? Efa nibanjina ela ny fiavian'ny Mesia izy; tonga Izy izao, ka tsy azony atao ny hihodina tsy ho eo anatrehany ka ho any amin'izay mihaza ny ain'ny Mesia, sy nanenjika azy ireo noho izy ireo tonga mpanaraka Azy. "Hankany amin'iza moa izahay?' Tsy ny hiala amin'ny fampianaran'i Kristy avy amin'ny lesona nataony feno fitiavana sy famindrampo, ka ho eo amin'ny haizin'ny tsy finoana, ny haratsiam-panahin'izao tontolo izao. Raha nandao ny Mpamonjy ny olona maro izay nanatri-maso ny asa mahagaga nataony, dia nampiseho ny finoan'ny mpianatra kosa i Petera nanao hoe: — 'Ianao no Kristy'. Ny fiheverana fotsiny fa tsy ho azony ifikirana intsony io vatofantsiky ny fanahiny io dia mameno tahotra sy fahoriana azy. Ny tsy manana Mpamonjy no ho voatarika hivily ho any amin'ny ranomasina maizina sy misamboaravoara."- IFM, t. 314 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ao amin'ny kilasy, resaho ny amin'ilay fanontaniana sarotra hoe: nahoana ny olona sasany, rehefa omena porofon'ny maha-Mesia an'i Jesôsy sy ny mahamarina ny fivavahana kristianina, no manaiky izany amim-pifaliana, fa ny hafa kosa manda izany?

2. Inona ny fahamarinana manan-danja lehibe kokoa noho ny hoe: maty noho ny fahotantsika i Jesôsy Kristy? Ahoana anefa no nahafantarantsika izany fahamarinan-dehibe izany? Ny siansa ve, sa ny lalàn'ny zavaboary, sa ny fiheverantsika fa izany no tokony ho izy, sa ny fahaizantsika mandanjalanja? Na mety hahatonga antsika hino an'Andriamanitra Mpahary tokoa aza ireo rehetra ireo, dia Ilay Andriamanitra niandohan'ny zavatra rehetra, Ilay tsy nisy nahary Azy, sns dia tsy misy amin'ireo voatanisa ireo, na alaina tsirairay na atambatra, mahay mampianatra antsika ny fahamarinana ilaintsika ho fantatra, dia i Kristy maty noho ny fahotantsika. Inona ny lesona tokony horaisintsika avy amin'izany momba ny mahazava-dehibe indrindra ny fanaovantsika ny Baiboly ho fahefana farany sy faratampony mikasika ny finoana?

3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoan'ny olona iray ny mitantara ireo zavatra nataon’ Andriamanitra teo amin'ny fiainany manokana? . 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal