Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Ny fanambaran’Andriamanitra Ray

Daty
Alarobia 06 November 2024

Ny firesahan'i Jaona momba ny Teny (logos) izay "tao amin'Andriamanitra", izany hoe, tao amin'Andriamanitra Ray, no manomboka ny filazantsarany (Jao. 1:1). Rehefa tonga nofo ny Teny dia ny Fanahy no vavolombelona nanambara an'i Jesôsy tamin'ny nidinany sy nitoerany teo Aminy tamin'ny batisany (Jao. 1:32-34). Kanefa ny Ray koa dia nanao fanambarana momba an'i Jesôsy nandritra ny asany teto an-tany.

Vakio ny Jao. 5:36-38. Inona no lazain’i Jesôsy eto momba ny Ray?

Ampifandraisin'i Jesôsy amin'ny Ray ny asa sy ny fahagagana nataony. Nolazainy mazava fa ny Ray no naniraka Azy sady nanambara Azy koa.

Vakio ny Mat. 3:17, Mat. 17:5, Mar. 1:11, ary ny Lio. 3:22 (jereo koa ny 2 Pet. 1:17,18). Inona no ambaran'ny Ray momba an'i Jesôsy?

Tamin'ny batisan'i Jesôsy dia nankeo amin'llay Zanaka ny Ray sy ny Fanahy Masina, nanamarika io fotoan-dehibe io, dia ny fanombohan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Nanambara ny Ray fa i Jesôsy no Zanany malalany izay sitrany. Kanefa mbola niteny indray ny Ray tamin'ny fotoana fray lehibe tao anatin'ny asa fanompoan'i Kristy, araka ny voasoratra ao amin'ny filazantsaran'i Jaona.

Nampanano sarotra ny toe-javatra tamin'ny faramparan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Naniry ny hahafaty Azy, mihoatra noho ny hatramin'izay, ireo mpitondra fivavahana izay tsy nahasakana Azy (jereo ny Jao. 12:19). Feno hafanam-po ny vahoaka niresaka momba an'i Jesôsy, indrindra moa rehefa reny ny fanambaran'ireo izay nahita Azy nanangana an'i Lazarosy tamin'ny maty (Jao. 12:17,18), ka nihamaro ny olona nanaraka Azy. Na ireo Grika tonga mba hanatrika ny andro firavoravoana aza mba naniry hahita an'i Jesôsy.

Tamin'io fotoana io, ho setrin'ilay tenin'i Jesôsy ao amin'ny Jao. 12:28 hoe: "Ray (5, mankalaza ny anaranao", dia namaly avy any an-danitra ny Ray nanao hoe: "Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray."— Jao. 12:28.

Araka ny efa hitantsika dia ny oran'ny hazo fijaliana no fotoam-pankalazana an'i Jesôsy. Koa io fanambaran'ny Ray momba an'i Jesôsy io dia manondro ilay sorona lehiben'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao. lo no faratampon'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Ny nahafatesany ho antsika no nandoavany manontolo ny onitra noho ny otantsika rehetra; ary ao Aminy, amin'ny alalan'ny finoana, dia tsy hizaka velively izany sazy izany samirery isika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal