Vakio ny Jer. 36:17,18 sy ny Rôm. 16:22. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny nampiasan'ireo mpanoratra ny Baiboly olona nanampy azy tamin'ny fanoratana?
Azo heverina fa azon'i Jeremia natao ny nanoratra ny hafany, saingy nisafidy ny haka mpitantsoratra izy mba handrakitra amim-pahatokiana ireo faminaniany sy hampita izany amin'ireo mpitondra ny firenena. Tsy i Jeremia ihany, ao amin'ny Baiboly, no mpaminany niantso olona hanampy azy amin'ny fanoratana mba hampitana ny hafatra avy amin'Andriamanitra.
Ao amin'ny TV, na milaza aza i Tertio hoe: "Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity" - Rôm. 16:22, dia hita mazava hatrany am-piandohan'ny epistily ho an'ny Romana fa ny hafatra tian'i Paoly hampitaina ihany no nosoratany. Mpitantsoratr'i Paoly i Tertio, na sekretera, izany hoe nanampy tamin'ny fandraketana an-tsoratra ny tenin'i Paoly.
Efa nahazatra an'i Paoly izany fomba izany. Teo am-pamaranana ny epistiliny ho an'ny Kolosianina sy ny Tesalonianina dia nanao veloma i Paoly, "Ity no veloma ataon'ny tànako" hoy izy (Kôl. 4:18; 2 Tes. 3:17), mba hanamafisana fa tena azy tokoa ilay epistily manontolo. Milaza izany fa nisy olona hafa nanoratra ny ankamaroan'ireo taratasy ireo ho azy. Mety hiteraka fisalasalana mantsy izany - andrao tsy maneho ny heviny marina ilay taratasy, na ratsy noho izany, andrao tsy avy aminy mihitsy ilay epistily - koa nanoratra teny fohy, izay sora-tanany mihitsy i Paoly tany amin'ny farany, mba tsy hisy hisalasala ny maha marina sy azo itokiana ilay epistily.
Mpandinika maro no mihevitra fa ny fahasamihafana hita eo amin'ny fomba fanoratra ao amin'ireo epistilin'i Paoly dia mety ho avy amin'ireo olona samihafa nanampy azy tamin'ny fanoratana. Toy izany koa no heverina momba ireo epistily roa nosoratan'i Petera: "Na marina aza fa tsy mitovy amin'ny an'ny epistily voalohany ny fomba fanoratra hita ao amin'ny 2 Petera, dia azo hazavaina izany amin'ny fiheverana fa mety ho nampiasa mpitantsoratra i Petera (...) mba handrafitra amin'ny teny grika ilay epistily nosoratany. Raha i Paoly, izay nahay tsara ny teny grika aza, hita mazava fa nampiasa mpitantsoratra, tsy mainka mitombina kokoa ve ny mihevitra fa nanao toy izany koa i Petera, izay ny teny arameana no fitenin-drazany? Ary azo inoana fa nisy fiantraikany ny fandrafetan'ireo mpitantsoratra ireo ny teniny tamin'ny teny grika." - SDA Bible Commentary, b. 5, t. 186.
Manambara izany fa na nitandrina tamim-pahatokiana ny hevitra sy ny hafatra nampitain'ireo irak'Andriamanitra aza ireo mpitantsoratra, dia mety ho hita eo amin'ny voambolana sy ny firafitry ny fehezanteny ny fahaiza-manao sy ny fomba fanoratra samihafa nananan'izy ireo. Ny hevitra no avy amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina, fa tsy voatery ho ny teny tsirairay nampiasaina hanehoana izany hevitra izany.