"Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy. Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana." - Mpitt. 12:9,10.
Azo raisina avy amin'ity andininy ity fa tsy i Solomona no namorona ny ohabolana rehetra izay noraketiny. Teo ambany fitarihan'Andriamanitra no "nitadiavany" fomba fiteny maro sy "teny mahafinaritra" hampitana ny fahamarinana. Raha ny marina, ilay famaritana malaza momba ny vehivavy tsara ao amin'ny Ohab. 31 dia natao momba ny renin'i Lemoela mpanjaka, izay tsy dia fantatra loatra, fa tsy i Solomona (Ohab. 31:1). Misy singa ihany koa hamantarana fa nisy fiantraikany tamin'ny lahatsoratra ao amin'ny Ohabolana ny literatiora egyptianina.
Toy izany koa, ireo mpanoratra tantara nahazo tsindrimandry ao amin'ny TT dia nilaza fa nampiasa tahirin-kevitra sy raki-tsoratra ara-tantara hafa izy ireo mba hitantarana amim-pahatokiana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra.
Vakio ny 1 Mpanj. 11:41, Lio. 1:1-4, ary ny Joda 14,15. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny nampiasan'ireo mpanoratra ny Soratra Masina loharanon-kevitra ivelan'ny Baiboly indraindray?
Ohatra hafa amin'ireo mpanoratra ao amin'ny Baiboly izay niankina tamin'ny tahirin-kevitra ara-tantara teo am-panoratana i Ezra sy i Nehemia. Nampidirin'i Ezra tao amin'ny lahatsorany ny dika mitovin'ny taratasy sy ny didim-panjakana mikasika an'i Jerosalema sy i Persia (jereo ny Ezra toko 4-7), ary i Nehemia kosa dia nilaza fa nahita taratasy filazana firazanana, ary nampidiriny tao amin'ny fitantarany izany (jereo ny Neh. 7:5-72).
Hita ao amin'ny TV koa io foto-kevitra io. "Mazava, araka ny fanandraman'i Lioka fa ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra dia mifanaraka amin'ny fomba fiasa voajanaharin'ny sain'olombelona ary tsy manafoana izany. Ny mpanoratra eto dia notarihin'ny Fanahy Masina handinika amim-pitandremana ireo loharanon-kevitra nambara am-bava sy an-tsoratra momba ny fiainan'i Kristy, ary avy eo nanangona sy nandrafitra ny tahirin-kevitra voarainy ho fitantarana mirindra." - SDA Bible Commentary, b. 5, t. 669.
I Joda indray toa maka teny avy ao amin'ny boky 1 Enoka 1:9, izay asa soratra jiosy tsy tafiditra ho isan'ny Baiboly, ary nosoratana teo anelanelan'ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Ary i Paoly dia naka teny avy tamin'ireo filozofa grika, na dia tsy nanonona ny anaran'izy ireo aza izy (jereo ny Asa. 17:28 sy ny Tit. 1:12).
Na matetika aza ireo mpanoratra ny Baiboly no notarihin'Andriamanitra mivantana tamin'ny alalan'ny fahitana sy ny nofy, dia tsy nanakana ny Fanahy Masina tsy hanindry mandry azy ireo hifidy sy hampiasa fitaovana avy amin'ny loharano hafa izany. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny tsy manadino izany foto-kevitra izany?