Inona no ambaran'i Paoly momba ny raki-tsarobidin'Andriamanitra ao amin'ny 2 Kôr. 4:7?
Nanoratra i Paoly fa natao tao amin'ny "vilany tany" (izany hoe olombelona) ny rakitr'Andriamanitra, mba hisehoan'ny herin'Andriamanitra mifanohitra amin'ny fahalementsika. Asehon'ny Soratra Masina fa tahaka ny tsy niarovana manokana tamin'ny fomba mahagaga ireo irak'Andriamanitra mba tsy ho lavo amin'ny fahadisoana eo amin'ny fiainany (toa an'i Mosesy, Elia, Davida, Jona, ary Petera), dia tsy nesorina tanteraka tamin'ny asa soratr'izy ireo koa ny tsy fahalavorariana eo amin'ny fomba fahatakaran'ny olombelona sy eo amin'ny fampitany hevitra.
"Ny fitambaran'ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona, izay hita tao amin'i Kristy, dia hita ao amin'ny Baiboly koa. Ny fahamarinana nambara dia samy 'avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra'; nefa aseho amin'ny tenin'olombelona izany ary ampifanarahana amin'izay ilain'ny olombelona." - TFC, b. 5, t. 747.
Ny maha-olombelona ireo irak'Andriamanitra dia tsy nofoanan'ny fiantsoana masina noraisin'izy ireo hampita ny haren'ny fahamarinana, araka ny nosoratan'i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 4:7. Hita koa fa nisafidy ny tsy hisakana ny mpitondra ny hafany tsy hanao fanambarana na hanoratra teny saro-takarina amintsika sy sarotra hazavaina ny Fanahy Masina. Vitsy ihany ny andininy toy izany ao amin'ny Baiboly, nefa tsy misy tokony ho tafintohina amin'izany raha tsy noho ny fahaterem-pisainana. Amin'ny maha Kristianina mino ny Baiboly antsika, dia tokony hilefitra amin'ny Tenin'Andriamanitra araka ny fahatakarantsika izany isika, ary hatoky ny Tompo na dia amin'ireo zavatra tsy mbola takatsika tsara aza.
Mety ho vokatry ny fahadisoana madinika nataon'ireo mpanao dika mitovy tatỳ aoriana ny fifanoheran-kevitra sasany, na koa noho ny fahasamihafan'ny loharanon-kevitra (tahirin-kevitra) nampiasain'ireo mpanoratra ny Soratra Masina. Rehefa mandinika andininy saro-takarina isika, dia tokony hametra-panontaniana hoe: Takatsika tanteraka ve ny tian'ilay mpanoratra hambara? Hamaha ny olana ve ny fandalinana izany misimisy kokoa?
Na tsy voavahantsika avokoa aza ny olana rehetra avy amin'ny fahadisoana na fifanoheran-kevitra, dia hitantsika fa tsy misy fiantraikany amin'ny votoatin'ny hafatra ampitain'ny Soratra Masina izany. Mahazo matoky isika fa ny fahamarinan'ny Soratra Masina avy amin'Andriamanitra dia nambara tamim-pahatokiana, na teo aza ny tsy fahatanterahan'ireo olombelona nirahin'Andriamanitra.
Nahoana, araka ny hevitrao, no nisafidy ny hampiasa olombelona mety diso Andriamanitra fa tsy anjely tsy manan-tsiny mba ho mpitondra ny hafany?