Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 12:31-36; Jak. 2:17-20; Eks. 13:1-14:31; Heb. 11:22; Eks. 15:1-21; Apôk tt. 15:2-4.
Tsianjery:
"Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehôvah , izay hataony ho anareo anio; fany Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehôvah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina." - Eks. 14:13,14
Ny fanafahana tany Egypta no fanandramana mahatalanjona sy be voninahitra indrindra niainan'ireo vahoakan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha. Izany toe-javatra izany no ohatra nasehon'ny lanitra momba ny nandresen'i Jehôvah ny fahavalon'ireo a. Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ihany no azo heverina fa hanafaka azy ireo amin'izany. Tahaka izany koa isika sy ny fahotana: raha ny maha-isika antsika sy ny herin'ny tenantsika ihany no jerena, dia ao anatin'ny toe-javatra tsy misy fanantenana isika. Mila zavatra miezinezina kokoa noho ny Eksôdôsy isika, ary ananantsika izany: ny hazo fijalian'i Kristy sy izay nataon'i Kristy teo ho antsika rehetra.
Mahatalanjona sy toa tsy mampino ireo toe-javatra nanamarika ny fialan'ny Isiraely tao amin'ny tany Gosena, izay voalazan'ny Eks. 12, mandra-pahatonga eo amin'ny hiran'i Mosesy izay hiraina amim-pifaliana ao amin'ny Eks. 15. Teo amin'ny faratampony tokoa ny famantarana sy ny fahagagana ary ny asa fanavotana mahagaga nataon'Andriamanitra.
Kanefa na ireo toe-javatra ireo aza dia tsy azo ampitahaina amin'izay nataon'i Kristy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana; tandindona tsotra naneho izany fotsiny ihany ny zava-mahatalanjona ao amin'ny Eksôdôsy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 09 Aogositra.