Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.

Daty
Alahady 03 August 2025

Nihatra tamin'ireo izay tsy nahitana ra ny tolam-baravarany fitsaran Andriamanitra ny alin'ny Paska (Eks. 12:1-12). Tsy nisy afa-niala tamin'izany, na inona na inona toerana ambony nisy azy, na fahalalana nananany, na saranga nisy azy, na lahy izy na vavy. Namely ny ankohonana rehetra ny famaizana, hatramin'i Farao ka hatramin'ireo andevo, eny fa na ny voalohan-teraky ny biby aza. Latsaka am-bovoka ny fireharehan'i Egypta.

Vakio ny Eks. 12:31-36. Inona ny fangatahana hafahafa nataon'i Farao, ary nahoana izy no nanome lalana azy rehetra mihitsy aza mba handeha?

Manaitra ny nanampian'i Farao izao fangatahana izao raha nilaza tamin'ny Hebreo izy mba handeha hanompo an'i Jehôvah : "fa mba tsofy rano aho."

"Fa mba tsofy rano aho" hoe? Nahoana moa izy, izay mpanjakan'i Egypta, ilay "andriamanitra" teo amin'ny tany nisy azy, no nangataka izany? Toy ny hoe takany nony farany ny herin'ilay Andriamanitry ny Hebreo ka te handray tombontsoa avy amin'izany hery izany izy. Ahoana anefa no hitsofan'Andriamanitra rano azy raha toa izy miziriziry ao anatin'ny fikomiana sy ny hamafisan-katoka ary ny fahotana sy ny avonavona? Nanaiky ihany tokoa izy, saingy tsy noho ny fileferana tamin'ny sitrapon'i Yahweh tsy akory, fa noho ny faharesena. Tsy nibebaka izy - araka izay hasehon'ny zavatra hataony ao aoriana kely. Niriny fotsiny ny hampitsahatra ny fandravana izay nanimba ny fanjakany.

Afabaraka i Farao. Ary teo anatrehan'ny toe-javatra mahonena sy mampihoron-koditra nateraky ny loza ratsy indrindra no nanomezany lalana ny Isiraely hiala tao Egypta. Navelany natao izao izay nolaviny hatrizay na dia teo aza ny fahoriana nanjo ny fireneny vokatr'izay nataony.

Azo inoana fa efa tsy andrin'ny vahoaka egyptianina koa izay handehanan'ireo Hebreo ireo hiala teo amin'ny taniny, satria hoy izy ireo hoe: "Mandehana, fa 'maty avokoa izahay rehetra'."

Tao anatin'izany, dia nataon'Andriamanitra izay tsy hahatonga ny Isiraelita hiala tao Egypta amin'ny tanam-polo. Nataony izay hitondran'izy ireo ny zavatra hilainy ho amin'ny dia izay hita aty aoriana kely fa lava sy maharitra kokoa noho izay noheverina. Ho fandodonana ny olona hiala tao amin'ilay firenena fotsiny ihany no nanomezan'ireo Egyptianina ny Jiosy ireny zava-tsarobidy ireny. Nefa vidin'ny asa mafy nataon'ireo Isiraelita nandritra ny taonjato maro izany, karama izay nolavina tsy homena azy ireo. Raha izany no vidin'ny fandroahana ny Hebreo tsy hijanona eo amin'ny taniny, dia azo antoka fa kely foana izany ho an'ny Egyptianina.

Impiry moa isika no "nibebaka" tamin'ireo asantsika noho ny vokatr'izany fotsiny ihany fa tsy noho ny maharatsy izany? Nahoana izany no tsy tena fibebahana marina? Ahoana no ianarantsika halahelo noho ny ota, izany hoe, "miala amin'izany", farafahakeliny ao anatin'ny fotoana voafetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal