Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.

Daty
Alarobia 06 August 2025

MANDROSO AMIM-PIΝΟΑΝΑ

Vakio ny Eks.14:13-31. Na dia teo aza ny tsy finoan’ireo zanak’Israely, inona no nataon’Andriamanitra ho azy ireo?

Nampahery ny vahoaka i Mosesy noho izy nitoky tamin'Andriamanitra sy ny Teniny tamin'ny fony manontolo. Naneho teboka manan-danja efatra momba izay tokony hatao ao anatin'ny toe-java-tsarotra izy:

  1. "Aza matahotra" Eks. 14:13. Antso ho amin'ny fitokiana amin'Andriamanitra no nataony voalohany, satria izany no hany fomba handresena ny tahotra. Ampahatsiahivin'i Isaia antsika izany fahamarinana izany amin'ny filazana fa eo an-tanan'Andriamanitra ny mpino ary Izy no hiasa ho azy ireo rehefa manaiky Azy ho Tompony sy Andriamaniny izy ireo: "Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao (...) Fa Izaho Jehôvah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, día ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao." - Isa. 41:10,13.

2. "Mijanona"-Eks. 14:13. Ny hoe "mijanona" dia tsy midika fotsiny hoe mampitsahatra ny fimonomononana ary manantena zavatra lehibe, fa midika koa hoe matokia an'Andriamanitra ary miandrasa ny fidirany an-tsehatra amin'ny fomba mahery vaika, satria hiasa Izy.

  1. "Ho hitanareo ny famonjen'i Jehôvah, izay hataony ho anareo anio"-Eks. 14:13. Mba hitomboan'ny finoantsika, dia zava-dehibe ny manaiky ny fitarihan Andriamanitra sy ny Fanampiany ary koa ny mankasitraka Azy noho ny fanampiana izay nampanantenainy. Ny hoe "mahita" dia midika hoe manokatra ny maso (satria manajamba ny tsy finoana). Andriamanitra irery no afaka manome fandresena sy fiarovana ary famonjena. Momba antsika mandrakariva Jehovah, ary miahy sy manome izay ilaintsika amin'ny fotoana mety.
  2. "Jehôvah hiady ho anareo" Eks. 14:14. Manondro izay zavatra hataon' Andriamanitra izany: Izy mihitsy no hiady ho an'ny vahoakany. Kalvary no porofo faratampon'izany, satria teo amin'ny hazo fijaliana no nandresen'i Kristy an'i Satana mba hanomezana antsika ny fiainana mandrakizay (Jao. 5:24; Heb. 2:14: Apôk. 12:10,11). Taty aoriana, na ireo Egyptianina aza dia niaiky fa Jehôvah no niady ho an'ny Isiraelita (Eks. 14:25).

Nazava ny baikon'Andriamanitra tamin'i Mosesy: "Mandrosoa". Nasehon'Andriamanitra tsikelikely ny drafitrasany: (1) Nifindra niala teo anoloan'ny tobin'ny Isiraely ilay Anjelin'Andriamanitra sy ny andri-rahona ka nijanona teo aoriany, mba hiaro azy ireo tarnin'ny tafiky ny Egyptianina. (2) Tamim-pinoana no naninjiran'i Mosesy ny tanany teo ambonin'ny ranomasina. (3) Nampisaraka ny rano Andriamanitra ary nampiseho ny tany maina tamin'ny alalan'ny rivotra mahery. Ary ny (4) vokatr'izany dia ny ny fiampitan'ny fiampita Isiraelita ireo an-jambany ny soamantsara ny ranomasina teo amin'ny tany maina. Nanenjika azy Egyptianina, satria tsy hitan'izy ireo ny zava-mahatalanjona hataon'i Jehôvah ho an'ny vahoakany; izany hoe, tsy hitan'izy ireo fa efa diso aoriana loatra izao, araka izay fiaiken'izy ireo ao amin'ny Eks. 14:25.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal