Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 14 February 2025

Vakio ny PM, toko 1: "Ny niavian'ny ratsy".

"Noho ny fahendrena lalina ananan’Andriamanitra dia noroahiny niala tany an-danitra i Losifera fa tsy naringany. Fankatoavana vokatry ny fitiavana ihany no tadiaviny. Ny fahatokiana dia tiany ho vokatry ny fahitana ny hatsaram-panahiny sy ny fahamarinany. Raha avy hatrany dia nolevonin’Andriamanitra i Satana raha vao nanota, dia tsy ho takatr'ireo mponina any an-danitra ny momba ny fahamarinan'Andriamanitra, satria tsy fantatr'izy ireo ny tena toetran'ny ota sy ny vokatra aterany. Raha nofongorana avy hatrany tsy ho isan'ny velona ilay anjely mpikomy, dia ho maro tamin'ireo mponina any an-danitra no nanompo an’Andriamanitra tamin-tahotra fotsiny fa tsy tamim-pitiavana. Tsy ho fongana tanteraka ny hery nananan'ilay mpamitaka; ny toe-tsaina mpikomy nananany dia mbola tsy ho levona. Mba hisian'ny soa ho an'izao tontolo izao mandritra ny taonjato tsy manam- petra mifandimby, dia navela hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny foto-keviny ilay ratsy. Fa amin'izany no hahitan'ny zavaboary manontolo ny tena toetran'ny famelezany ny fanjakan'ny lanitra, ka hiseho miharihary amin'izay ny toetran'Andriamanitra feno fahamarinana sy famindrampo ary ny tsy fiovan'ny didin'i Jehôvah dia tsy hananam- pisalasalana mihitsy intsony na oviana na oviana.

"Ny fiodinan'i Satana dia tokony hahitan'izao tontolo izao lesona mandritra ny taona maro mifandimby, ka ho vavolombelona mandrakizay manambara ny toetran'ny fahotana sy ny vokany mahatsiravina. Tian'Andriamanitra hoenti-maneho ny fiafaran'ny fandavana ny fahefany ny vokatry ny teti-dratsy nampiasain'i Satana tamin'ny olona sy ny anjely. Sitrany ny hampiharihary fa ny fahasambarana ho an'ny zavaboariny rehetra izay noforonin'ny heriny, dia miankina amin'ny fisian'ny fanjakany. Koa dia fiarovana mandrakizay ho an'ny olo-masina tsy ho voan'ny famitahan'ny ota sy ny voka-dratsy aterany ny nisian'ilay tantara mahatsiravina." - PM, tt. 16,17.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ny teny hoe "Théodicée" dia entina manamarina an'Andriamanitra eo anatrehan'ny ratsy. Tsy manamarina ny ratsy velively anefa izany. Alao sary an- tsaina hoe misy olona iray any an-danitra milaza hoe: "Oh, eny tokoa ry Jesôsy ô, fantatro amin'izay ankehitriny ny anton'ny nampijaliana sy namonoana ny ankohonako teo imasoko. Misaotra Jesôsy ô!" Tsy mitombina izany. Ahoana no hahatonga antsika hahatakatra fa Andriamanitra no hohamarinina amin'ny fiafaran'ilay fifanandrinana lehibe, fa tsy ny ratsy? (jereo ny lesona 9)

2. Efa nahatsapa toa an'i Joba ve ianao? Efa nalaim-panahy ve ianao hieritreritra fa tsy mety hisy fanazavana mahafa-po momba ny fijaliana niainanao na ny havan-tianao? Niaiky i Jôba nony farany hoe: "(...) nilaza izay tsy fantatro aho (...)" - Joba 42:3; ahoana no itondran'izany fanazavana ho antsika mikasika ireo toe-javatra mampanontany tena antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal