Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 14 February 2025

Vakio ny PM, toko 1: "Ny niavian'ny ratsy".

"Noho ny fahendrena lalina ananan’Andriamanitra dia noroahiny niala tany an-danitra i Losifera fa tsy naringany. Fankatoavana vokatry ny fitiavana ihany no tadiaviny. Ny fahatokiana dia tiany ho vokatry ny fahitana ny hatsaram-panahiny sy ny fahamarinany. Raha avy hatrany dia nolevonin’Andriamanitra i Satana raha vao nanota, dia tsy ho takatr'ireo mponina any an-danitra ny momba ny fahamarinan'Andriamanitra, satria tsy fantatr'izy ireo ny tena toetran'ny ota sy ny vokatra aterany. Raha nofongorana avy hatrany tsy ho isan'ny velona ilay anjely mpikomy, dia ho maro tamin'ireo mponina any an-danitra no nanompo an’Andriamanitra tamin-tahotra fotsiny fa tsy tamim-pitiavana. Tsy ho fongana tanteraka ny hery nananan'ilay mpamitaka; ny toe-tsaina mpikomy nananany dia mbola tsy ho levona. Mba hisian'ny soa ho an'izao tontolo izao mandritra ny taonjato tsy manam- petra mifandimby, dia navela hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny foto-keviny ilay ratsy. Fa amin'izany no hahitan'ny zavaboary manontolo ny tena toetran'ny famelezany ny fanjakan'ny lanitra, ka hiseho miharihary amin'izay ny toetran'Andriamanitra feno fahamarinana sy famindrampo ary ny tsy fiovan'ny didin'i Jehôvah dia tsy hananam- pisalasalana mihitsy intsony na oviana na oviana.

"Ny fiodinan'i Satana dia tokony hahitan'izao tontolo izao lesona mandritra ny taona maro mifandimby, ka ho vavolombelona mandrakizay manambara ny toetran'ny fahotana sy ny vokany mahatsiravina. Tian'Andriamanitra hoenti-maneho ny fiafaran'ny fandavana ny fahefany ny vokatry ny teti-dratsy nampiasain'i Satana tamin'ny olona sy ny anjely. Sitrany ny hampiharihary fa ny fahasambarana ho an'ny zavaboariny rehetra izay noforonin'ny heriny, dia miankina amin'ny fisian'ny fanjakany. Koa dia fiarovana mandrakizay ho an'ny olo-masina tsy ho voan'ny famitahan'ny ota sy ny voka-dratsy aterany ny nisian'ilay tantara mahatsiravina." - PM, tt. 16,17.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ny teny hoe "Théodicée" dia entina manamarina an'Andriamanitra eo anatrehan'ny ratsy. Tsy manamarina ny ratsy velively anefa izany. Alao sary an- tsaina hoe misy olona iray any an-danitra milaza hoe: "Oh, eny tokoa ry Jesôsy ô, fantatro amin'izay ankehitriny ny anton'ny nampijaliana sy namonoana ny ankohonako teo imasoko. Misaotra Jesôsy ô!" Tsy mitombina izany. Ahoana no hahatonga antsika hahatakatra fa Andriamanitra no hohamarinina amin'ny fiafaran'ilay fifanandrinana lehibe, fa tsy ny ratsy? (jereo ny lesona 9)

2. Efa nahatsapa toa an'i Joba ve ianao? Efa nalaim-panahy ve ianao hieritreritra fa tsy mety hisy fanazavana mahafa-po momba ny fijaliana niainanao na ny havan-tianao? Niaiky i Jôba nony farany hoe: "(...) nilaza izay tsy fantatro aho (...)" - Joba 42:3; ahoana no itondran'izany fanazavana ho antsika mikasika ireo toe-javatra mampanontany tena antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal