Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - Maro no tsy mbola fantatsika.

Daty
Alatsinainy 10 February 2025

Ho resin'ny fitiavana ny faharatsiana amin'ny faran'ny tantara. Mbola misy fanontaniana manahiran-tsaina maro mipetraka anefa izao. Ahoana no ahafahantsika misaina sy miresaka mikasika ny olan'ny faharatsiana amin'ny fomba izay mety hanampy antsika?

Vakio ny Jôba 38:1-12. Ahoana no anazavan'ny teny navalin'Andriamanitra an'i Jôba ny olan'ny faharatsiana? Manao ahoana ny fahalalantsika izay zavatra mety miseho ao ambadiky ny toe-java-misy?

Ory loatra i Jôba ao amin'ny tantara, ka nametra-panontaniana maro momba ny anton'ny faharatsiana sy ny fijaliana rehetra mianjady aminy. Nangataka hifandahatra tamin'Andriamanitra i Joba, nitady valiny ho an'ny fanontaniany, satria tsy nisy fantany ny amin'izay zava-dehibe mitranga ao ambadiky ny toe-javatra hitany, dia izay mitranga any an-danitra (jereo ny Joba 1-2).

Manaitra ny teny navalin'Andriamanitra an'i Jôba. Toy izao indrindra izany: "Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehôvah dia namaly an'i Jôba ka nanao hoe: Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?" - Jôba 38:1,2. Amin'ny dikan-teny hafa dia hoy Andriamanitra: "Iza moa izato manamaizina ny fikasako, ka miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory?" - DIEM. Ary hoy koa Andriamanitra ao amin'ny Jôba 38:4: "Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao." - Jôba 38:4.

Vakio ny Jôba 42:3. Diniho ny valin-tenin'i Jôba. Ahoana no anampian'izany antsika hahafantatra ny toerana misy antsika?

Nambaran'Andriamanitra mazava rehefa namaly an'i Jôba Izy fa maro tokoa no tsy fantatr'i Jôba na takany. Tokony hanaiky amim-panetren-tena toa an'i Jôba isika fa zavatra maro eto amin'izao tontolo izao sy ao ambadiky ny zavatra hitan'ny masontsika no tsy mbola fantatsika velively. Ny tsy fananantsika valiny ho an'ny fanontaniantsika dia tsy midika fa tsy misy valiny mahafa-po izany, na koa hoe ho fantatsika ihany ny momba ny zavatra rehetra indray andro any. Mandra-pahita izay marina, dia mila matoky ny hatsaram-pon'Andriamanitra isika, izay naseho tamintsika tamin'ny fomba maro.

Saino ny hakelin'ny fahalalantsika momba ny zavatra rehetra. Nahoana, araka izany, no tokony hianarantsika ny miaina miaraka amin'ny fanontaniana tsy voavaly momba ny foto-kevitra sarotra indrindra, dia ny faharatsiana sy ny fijaliana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal